Toarian’ny fampanoavana, naiditra am-ponja vonjimaika ireo dimy lahy saron’ny zandary nangalatra varavaram-by tetsy amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Ankadikely, ny 9 jona teo. Ny alin’ny 6 jona hifoha ny 7 jona, niara-nangalatra ireo entana ireo izy dimy lahy ireto ka nitatitra izany mangingina. Nifanehatra tampoka tamin’ny mpitandro filaminana manao fisafoana amin’ny alina anefa izy ireo. Natao famotorana, tsy nisy nahavaly ireto dimy lahy fa niaiky heloka. Nalaina tao amina orinasa iray anatin’io kaominina io ihany ireto varavaram-by ireto. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka izao niafara amin’ny fihazonana am-ponja eny Antanimora azy ireo izao.
Tsiferana R.