Tenisy – « Mondial 2023 » : tompondaka tamin’ny “Billie Jean King Cup” i Madagasikara

Tanteraka ny fanamby ho an’ny ekipam-pirenena vehivavy malagasy, taranja tenisy. Voahosotra ho tompondakan’ny fifaninanana eran-tany « Billie Jean King Cup » izy ireo. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, i Tanzania, nandritra ny lalao famaranana, izay natao ny sabotsy 10 jona lasa teo, tany Kigali, Rwanda. Araka izany, tafita ao amin’ny “Groupe 3” izy ireo amin’ny taona manaraka.
Raha hiverenana kely ny lalao, lavon-dRanaivo Mialy, tamin’ny seta 2 no ho 0, (6/3, 6/1) i Shana Mao Mao, teo amin’ny lalao simple 2. Nandresy an’i Esther Moha­med Nankulange, tamin’ny seta 2 no ho 0, (0/6, 1/6) ihany koa i Voavy Mitia, lalao simple 1. Resin-dry Ranaivo Na­rindra sy Voaviandraina Hare­na, tamin’ny seta 2 no ho 0, (6/1, 6/4) ry Shana Mao Mao sy Esther Mohamed Nanku­lange, nandritra ny fihaonana “double décisive”.
Tsiahivina fa in-6 nahazo fandresena ny Malagasy nandritra ity fifaninanana ity, ary izy ireo no voalohany tao amin’ny sokajy B, taorian’ny fifanintsanana isam-bondrona. Azo antoka, araka izany, fa mety hazazo amboara ny Malagasy amin’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny 23 aogositra – 3 septambra ho avy izao.
Ankoatra izay, hiatrika ny “Davis Cup, Groupe 5”, Mon­dial ihany koa ny lehilahy. Fifanintsanana iraisam-pirenena, hotanterahina any Kinshasa, ny 19 jona 2023.

Fitia (Mpianatra asa)

Vokatra rehetra azon’ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny BJK:
Andro 1 : Madagasikara 2 – 1 Cameroun
Andro 2 : Madagasikara 3 – 0 Lesotho
Andro 3 : Madagasikara 3 – 0 Sénégal
Andro 4 : Madagasikara 3 – 0 Congo
Andro 5 : Madagasikara 3 – 0 RDC
Andro 6 ( Finale ) : Madagasikara 3 – 0 Tanzanie

Partager sur: