Maty voatifitra ny dahalo raindahiny naman’i Yarisy, dahalo mpaka an-keriny tao Anjozorobe.
Nokarohin’ny zandary hatry ny ela, maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana i Lemainty, dahalo ikoizana. Mpiara-miasa tamin’i Yarisy, mpangalatr’omby ary mpaka an-keriny tao amin’ny distrikan’ Anjozorobe izy ireo. Nokarohina nandritra ny telo taona i Lemainty io. Nandritra ny hetsika nataon’ny zandary eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy, raikitra ny fifampitifirana. Dimy lahy ireo dahalo nitondra fitaovam-piadiana ka vaky nirifatra rehefa nahita ny mpitandro filaminana. Lavo teo noho eo ny iray. Azo sambo-belona kosa ny namany iray. Nahatrarana basy telo teny amin’izy mirahalahy ireto ka MAS 36 ny iray. Nandositra kosa ny dahalo telo ambiny. “Nahitana bala 20 nokasainy hampiasaina koa teny amin’ ireo dahalo ireo”, hoy ny kapiteny Andriambeloniaina Toky.
Mpamatsy “puce”
Ankoatra ilay dahalo iray voasambotra, iray hafa mpiray tsikombakomba amin’izy ireo koa tratra teto an-dRenivohitra. Mpamatsy “puce” ireo dahalo ary mifampizara ny vola azon’ireo mpaka an-keriny. Sarona teny aminy ny “puce” ampolony. Afaka mifanerasera mivantana amin’ny namany ireo mpaka an-keriny amin’ny alalan’ireo fitaovam-pifandraisana ireo. Mitohy ny fikarohana ireo telo tafaporitsaka. Marihina, nahatratra 6 ireo dahalo lavo ary 66 ireo voasambotry ny eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale hatramin’ny fiatombohan’ny taona 2023.
Tsiferana R.