Zotra an-dalamby FCE : niverina rehefa niato amam-bolana maro

Niverina nandeha, nanomboka ny alakamisy teo, ny zotra an-dalamby mpitatitr’ olona mampitohy an’i Fiana­ran­tsoa sy Manakara (FCE), rehefa niato nandritra ny volana maro. Niainga afakomaly maraina tao Fianarantsoa ny lamasinina, nitondra olona aman-jatony ka tonga soa aman-tsara tao Manakara, omaly. “Fahombiazana ny dia natao voalohany ka faly sy ravo izahay amin’izao fiverenan’ny zotra an-dalamby izao”, hoy ny fanazavan’ireo mponina any an-toerana. Isaky ny talata sy alakamisy no miainga ao Fianarantsoa hihazo an’i Manakara ny lamasinina.

Ny alarobia sy ny zoma kosa ny fiverenany. Ankoatra izay, hisy ny lanonana fitokanana amin’ny fomba ofisialy ity zotra an-dalamby ity afaka andro vitsy. Hisy koa ny fa­metrahana tomponandraikitra hisahana izany aorian’izay.
Hampiroborobo ny toekarena

Hanala fahasahiranan’ny mponina ny fiverenan’iy zotra an-dalamby ity indrindra any amin’ireo toerana saro-dalana. Ainga vao ho an’ny fampivoarana izy fa indrindra hampiroborobo ny fizahantany sy ny toekarena any an-toerana.
Hanampy ny fifamoivoizana ity zotra an-dalamby ity indrindra any amin’ireo toe­rana tsy tongan’ny fiara. Tsia­hivina fa efa niasa nanomboka ny 1 jona teo koa ny zotra an-dalamby mpitatitr’olona (train voyageur) mampitohy an’i Toamasina sy Moramanga rehefa niato nandritra ny fotoana naharitra. Mandray an-tanana ny zotra ny orinasa Madarail ka hitondra iro mpandeha sy mpizahatany avy ao amin’ny “gare manguiers” Toamasina hatrany Moramanga ny lamasinina. Mandalo kaominina 22 ny Dia tsara, mandalo an’Ambila Lemaitso sy Brickaville ary Andasibe ny lalany.

Henintsoa Hani

Partager sur: