Tora-bato sy lakrimozenina: nifampitana ny Emmo-Reg sy ny mpitolona

Voasakana ny kongresim-paritry ny Tim tao Antsirabe. Niditra an-tsehatra nandrava izany ny Emmo/Reg. Raikitra ny tora-bato, nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso.

Mbola niantsena tao Sabotsy ny filoha teo aloha, Ravaloma­na­na, tamin’ny 10 ora ny marainan’ny sabotsy teo raha efa nametraka sakana kosa ny Emmo/Reg. Tsy navelan’izy ireo niditra ny Magro Ava­ratsena nikasana hanaovana kongresy faha-19 ny mpomba ny Tim. Naparitaka tamin’ny lakrimozenina nifanesy teny Antsenakely izy ireo ka niteraka faharatrana olona. “Telo naratra mafy ka tanora sy renim-pianakavaiana 76 sy 57 taona izany. Zaza 12 taona koa sempotra”, hoy ny tatitry ny depiote Tim.
Etsy andaniny, nanazava ny préfet ao Antsirabe, Raharison Tsiriniaina Miarana fa tsy nahazoana alalana ny hetsika. “Voafehin’ny lalàna ny famoriam-bahoaka politika ary tokony anaty efitrano izany”, hoy izy. Notsiahiviny fa nangataka ny hanaovana ny hetsika eo Avaratsena ny Tim. “Ambony ny fitandroana ny filaminana satria lalam-bahoaka sady andro tsena io fotoana io ka tsy nekena”, araka ny nambarany.
Efa niandry ny fampanantenan’ny depiote, ny hifanatonana koa ny préfet sy ny OMC hijery ny toerana hafa hanaovana hetsika saingy tsy nipoitra izy ireo. “Efa nanome alalana any Vatofotsy izahay”, hoy ny Préfet. Noha­ma­fisiny fa nanaraka ny fenitry ny fitandroana ny filaminana. Tsy nihoa-pefy ny Emmo/Reg tamin’ny fepetra noraisiny.
Nanova paikady, tsy nijanona teo an-toerana ny mpitarika ny Tim. Nitarika ny vahoaka nandeha an-tongotra, nanao diabe nanerana ny tanàna ka nihazo an’i Vatofotsy, nanaovana ny kongresim-paritra. “Tsy mahasakana antsika izany ireo”, hoy izy.

Tsy afa-bela ny HCC teo aloha

Notanisainy tamin’ny fihaonana amin’ny vahoaka avy eo ny olana sedrain’ny olona. Anisan’izany ny delestazy sy ny tsy fananana asa. Eo koa ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fahampian-tsakafo. Noresahany koa fa tsy fanao ny manafina ny marina. Manana andraikitra ny HCC, teo aloha, momba ny fizakan’ny filohan’ny Repob­lika ny zom-pirenena vahiny. “Tsy mba nanadihady izy ireo… Tsy afa-bela ny HCC ary fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena izany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: