Namoy ny ainy voatsindrin’ny taxi-be i Johnny, 10 taona. Tompon’antoka ny resevera iray, nangalatra nitondra ilay fiara ka nivarina tany an-tanànan’olona.
Maty tsy tra-drano i Johnny kely, zazalahy vao 10 taona. Notsindrin’ny taxi-be iray, nivoaka ny arabe ka nivarina tany amin’ny tsenakelin’olona avy teo amin’ilay zaza. Teny Andrainarivo, no nisehoan’izany afakomaly maraina, tokony ho tamin’ny 11 ora. “Avy nanatitra ny rainy teo ambony teo izy. Nidina hamonjy ny trano sy ireo mpiray tampo aminy, nodomin’ilay taxi-be izy ary voatsindry”, hoy ny nambaran’ny anadahin-drenin’io zaza io, Ramanamahefa Morel. Maty tsy tra-drano ilay zazalahikely, lahimatoan’ny fianakaviana. Nilaza tamin’ny rainy izy mialoha ny nahafatesany tampoka ity fa tokony hividianana mofomamy noho ny andro fetin’ny rainy. “Nasain’ny rainy nody izy rehefa teny ambonin’ny tanana teny”, hoy ny dadatoany. Poa toy izay, nitsambikina tampoka avy any anaty arabe nihazo ny kirihitra midina mamonjy ny trano fonenan’io zazalahy lasibatra io ilay taxi-be.
Efa noraran’ny mpamily…
Nijanona teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be niandry filaharana ny fiara. “Nisakafo tsy lavitra io toerana io ny mpamily ka niambina ny fiara ilay resevera”, hoy ny fianakavian’ilay zazalahy. Nanafatrafatra tsy hikitihan’ilay resevera ny fiara ny mpamily. Tetsy ankilany, vao mainka nanosika ilay mpanampy azy hamelona ny fiara izany. Toy ny vara-datsaka, nifatratra tamina tsenakely iray teo amin’ny sisin-dalana ilay taxi-be. Tsy voasakan’ilay tsenakely, nianjera tany amin’ny lalan’ilay zazalahy hamonjy fodiana. Vokany, potsitra ny lo-han’ilay zaza, nitarika ny fahafatesany. Tapa-tanana ilay resevera. “Mbola nanda mafy tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza ilay mpanampy ny mpamily ka nilaza azy tsy ho tompon’ny tenany”, araka ny fanamafisan’ny dadatoan’ilay namoy ny ainy.
Notanana atao fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro filaminana io resevera namoa-doza io. Anaty fikarakarana ny vatana mangatsiakan’ilay zanak’izy ireo kosa ny ray aman-drenin’i Johnny kely. Hiditra an-tsehatra amin’ny fanarahana ny raharaha aorian’ny fandevenana izy ireo. “Tsy fahaizan’ilay resevera fiara tsotr’izao no niteraka ny loza”, hoy ny dadatoan’ilay zaza.
Tsiferana R.