Hatairana ny an’ity renim-pianakaviana iray nahita an-janany maty nihantona tao an-trano, ao amin’ny fokontany Antanambaobe, kaominina ambanivohitr’i Vohilava, distrikan’i Mananjary, afakomaly. Tsy fantatra mazava izay zava-niseho ka nitarika ny famonon-tena. Mbola tsy manam-bady izy. Araka ny fanazavan-dreniny nahita ny zava-nitranga tao an-tranony, nisy alim-pandihizana tao an-tanàna, namonjy izany ny zanany. Tsy hay ny zava-nanjo azy tany. Tonga tao an-trano izy, tokony ho tamin’ny 2 ora sy 30 mn maraina. Nihevitra ny reniny fa lasa natory izy taorian’ny nahatongavany.
Izy efa nihantona tamin’ny tady tao an-trano no nahataitra ny reniny, nony efa nazava ny andro. Izy ihany no nanala ilay tady nifatotra tamin’ny tendany. Efa tsy avotra intsony ny ainy. Niezaka niala nenina ny fianakaviana saingy niala maina, raha ny fanampim-panazavana nomeny. Fotoana fohy taorian’izay, tonga ireo zandary miasa ao Vohilava nanao fanadihadiana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny izay mety hamantarana ny marina rehetra momba izany.
J.C