Maty tsy tra-drano ilay zaza 8 taona tao anatina taksiborosy iray tra-doza tao Ambatolampy, omaly.
Nandeha mafy, tafavoaka ny tetezana anatin’ny lalam-pirenena fahafito, teo amin’ny PK 57+700, Antsahafiraisana, fokontany Amboniriana, kaominina Andriambilany, distrika Ambatolampy, ny taksiborosy iray, omaly maraina. Nitondra mpandeha avy any Vangaindrano, nikasa hihazo an’Antananarivo izy ireo. Nivoaka ny arabe tampoka anefa ny fiara. Tsy nisy arofanina rahateo ny tetezana ka nitsoraka avy hatrany tao ambaniny ity taksiborosy ity. Vokany, namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy ny iray tamin’ireo mpandeha. Mbola zaza vao 8 taona io maty io. Naratra vokatry ny dona kosa ny olona valo hafa. Ny iray tamin’izy ireo izay naratra mafy. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ireto niharam-boina ireto.
Nifaoka moto
Nahazo ny fiolahana hiditra ny tetezana, efa nisy fiara tsy mataho-dalana iray tafiditra tao anatin’ny lalana ambonin’io tetezana io. Moto iray kosa nijanona eo alohany. Avy amin’ny lalana mifanohitra amin’ireo moto sy fiara 4×4 ireo anefa ity taksiborosy ity. Tsy tafajanona intsony, voafaoka ilay moto. Nitsoraka ambany tetezana ilay fiara mpitatitra. Nentina nampiakarina aty Antananarivo ilay naratra mafy. Notsaboina tao amin’ny hopitaly Ambatolampy kosa ireo naratra hafa. Raha tsiavihina, niseholany tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny fandehanana mafy ataon’ireo mpamily fiara. Anisan’izany ireo telo mianadahy maty teo Ankorahotra vao ny alatsinainy alina teo.
Tsiferana R.