Ankoatra ny eo Anosy…: hisy afomanga lehibe koa ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina

Toy ny fanao isaky ny 25 jona, hanamarihana ny fetim-pirenena, hisy indray ny fandefasana ny afomanga miavaka amin’ity. Efa ao anatin’ny fametrahana ny pitsopitsony ara-teknika avokoa ireo tomponandraikitra misahana izany. Efa vonona ihany koa ny toerana hanatanterahana izany. Nomarihin’ny komity mpikarakara fa efa voaara-maso avokoa ireo fitaovana rehetra entina ampiasaina mandritra io fotoana io. Olona manam-pahaizana manokana momba ny fandefasana afomanga no misahana ny fandrindrana izany. Nisy ny toromarika ho an’ny rehetra hijery izany afomanga lehibe izany. Mifanindran-dalana amin’ny afomanga etsy amin’ny farihin’Anosy ny fisian’ny afomanga lehibe koa ao
amin’ny Kianja Barea Ma­hamasina, aorian’ny “An­tsam-piderana” hitondrana am-bavaka ny firenena. Tsy tokony hivoaka, araka izany, ny olona efa tafiditra ao ana­tin’ny Kianja Barea mandritra io fotoana io. Mitovy ny afomanga hiseho amin’ireo toerana roa ireo, araka ny fanazavan’ny komity hatrany. Nan­titranterin’izy ireo fa tsy azo atao ny mijorojoro eny amin’ny manodidina ny farihin’ Anosy satria mety hampidi-doza izany. “Rarana koa ny fitsilovana “laser” eny amin’ny faritry ny farihin’Anosy fa mety hitera-doza satria misarika ny fipoahan’ireo vanja izany”, hoy ny tomponandraikitry ny filaminana eo ani­von’ny komitim-pirenena mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena (CNTO), ny Jly Andriamasimanana William.

Jean Claude

Partager sur: