Vovonana Lera : “Tsy handray anjara amin’ ny diniky ny Ceni izahay”

Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Vovonana Lera, omaly teny Tsimbazaza. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tena tonga ny fotoana “Lera”. Anisan’izany ny fitotongan’ny toekarena, ny vidim-piainana, ny tsy fananana asa, ny tsy fandriampahalemana. Ny olan’ny fikarakarana ny fifidianana.
“Tsy handray anjara amin’ ny dinika faharoa karakara­in’ny Ceni anio, izahay…”, hoy izy ireo. Notanisain’izy ireo ho anton’ny fanapahan-kevitra dia ny tsy fanajana ny Lalàmpanorenana amin’ny fa­ha­zoana mivory sy maneho hevitra. Ny tsy fampiharana ny fisaraham-pahefana. Ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana sy ny vola hoenti-manana ny fifidianana. Ny tsy fanamboarana ny lalàm-pifidianana.

Hanoherana ny famoretana
Tsipahin’izy ireo marindrano ny fampiasana ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ho fitaovana politika. Ny fanahiana fa efa mizotra mankany amin’ny krizy politika ny firenena. “Lera izao handavana ny firosoan’ny governemanta sy ny Ceni ary ny HCC hanatanteraka fifidianana tsy ma­hafeno fepetra. Fifidia­na­na izay ahiana hanjakan’ny hosoka sy ny fanararaotana. Lera izao hanoherana ny fanamparam-pahefana sy ny famoretana ary fandrahonana ireo maneho hevitra ka tsy miandany fitondrana”, hoy ihany izy ireo. Takin’izy ireo tsy misy hatakandro ny fahafahana mamory vahoaka an-kalalahana na an-kalamanjana na anaty trano ka ianto­han’ny tomponandraikitra ny fitandroana ny filaminana.

Eo koa ny fitakiana ny fahafa­han’ny hery politika rehetra mampiasa ny TVM/ RNM, anaty fanajana ny voafaritry ny lalàna.

Synèse R.

Partager sur: