Nampiantrano ny atrikasa fampiofanana mikasika ny tetikasa «Rindra» ny faritra Menabe, ny 20 jona lasa teo. Nisitraka izany ireo ben’ny Tanàna avy amin’ ireo kaominina 16, voakasiky ny tetikasa. Teo koa ireo mpitantam-bolan’ny kaominina tsirairay avy ary ny filohan’ny filankevitra kaominaly. «Tanjona ny hizakan-tenan’ny kaominina amin’ny lafiny ara-bola sy tsy hiankinan’izy ireo amin’ny fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe», hoy ny mpandrindram-paritry ny Pnud, anivon’ny faritra Menabe, Rafanomezantsoa Sandrine.
Manampy betsaka ny kaominina hahay hitantam-bola ny fampiofanana sy fizarana traikefa, raha ny fanazavana. «Tsy misy sekoly fianarana ho ben’ny Tanàna eto Madagasikara, ka lasa manararaotra ny fisiana fahadisoana kely amin’ny fitantanan’ny ben’ny Tanàna sy mpitantam-bolan’ny kaominina ny Bianco», hoy ny ben’ny Tanànan’Ambatolahy, Pieraly Moustapha. Nilaza ny mpandrindram-paritry ny Pnud anivon’ny faritra Menabe fa: «avy amin’ny fitondrana foibe avokoa ny 40 hatramin’ny 60 isan-jaton’ny fampiasam-bolan’ny kaominina».
Anisan’ny faritra manankarena vokatry ny tany sy vatosoa ary volamena ny faritra Menabe, raha ny antontanisa navoakan’ny Pnud. 9 000 taonina, isan-taona ny vokatra voanjo, 17 900 t ny katsaka, 135 000 t ny trondro miakatra any an-toerana. 66 000 ha ny tanimbary hambolena “Tsy tokony ho olan’ny kaominina any amin’ny faritra Menabe ny fampidiram-bola ara-dalàna anatin’ny kitapom-bola raha ireo harena miditra amin’ny faritra ireo no jerena”, hoy ny tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Morondava, Ratsiafodimanana Mampisaina James Wolfe.
Sajo sy Mino
(mpianatra asa)