Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny fampianarana maimaimpoana ho an’ireo mpanala fanadinana bakalorea. Nokarakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana Ambany tanàna miray (ATM). Hisitraka izany ireo tanora hanala fanadinana eto anivon’ny fari-piadidian’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Tanjona ny hanampiana ireo mpianatra amin’ny fanomanana ny fanadinam-panjakana. “Zava-dehibe ho an’ny tanora ny fanadinana bakalorea ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy ny tale misahana ny asa sosialy sy fahasalamana eo anivon’ny kaominina, Dr Raharinandrasana Hajatiana. Nilaza izy fa hampiana izy ireo mba hahomby amin’ny fanadinana. Hanolotra paikady sy torohevitra manokana ho azy ireo ny mpampianatra efa za-draharaha mandritra izany. Nanatrika izany teny an-toerana ny solontenan’ny ben’ny Tanàna, ny lefitra faharoa, Andriamanday Naina. Tanterahina eny amin’ny Tranompokonolona Isotry sy Analakely ny hetsika, mandritra ny herinandro.
Mino (mpianatra asa)