Miroborobo ny tolotra ara-bola omen’ny orinasa MVola. Nanamarina izany ny nahazoany loka iraisam-pirenena, entiny hanohizany ny ezaka.
Nahazo ny mari-pamantarana iraisam-pirenena B Corp ny orinasa MVola. Izy no mpisehatra
amin’ny sehatra ara-bola voalohany nahazo izany eto Madagasikara ary faharoa aty Afrika. Manamarika ny fahamatoran’ny MVola, nanomboka ny niforonany ny taona 2010, izao fankasitrahana iraisam-pirenena izao. Tolotra sahaza ny besinimaro, tsara kalitao, manaraka ny fivoaran’ny teknolojia iraisam-pirenena, mipaka any amin’ny mpanjifa sy ny tontolo iainana.
Manome ny B Corp ny fikambanana iraisam-pirenena mahaleo tena B Lab, manombana ny orinasa amin’ny fepetra hentitra. Hany afaka manome ny mari-pamantarana mikasika ny fahombiazana amin’ny lafiny sosialy sy tontolo iainana. Masontsivana hijerena ny orinasa ny fitantanana, ny fitsinjovana ny eny ifotony sy ny mponina, ny fiaraha-miasa ary ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Manamafy orina ny fanomezany tolotra ara-bola mirindra sy mamaly ny filan’ny mpanjifa ny nahazoany ny B Corp.
Fitomboana ara-toekarena
Nilaza ny solontenan’ny B Lab fa «dingana manokatra ny fampandrosoana ny faritry ny ranomasimbe Indiana ny nahazoan’ity orinasa ity ny B Corp. Manome antoka ny fitomboana ara-toekarena ho an’ny rehetra ny fahazoana ny fara-tampony amin’ny andraikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana”.
Ho an’ny tale jeneralin’ny MVola, Louis-Olivier Favot, «manamafy ny fanomezan’ny MVola tolotra tsara ny Malagasy ity B Corp ity. Reharehanay foana ny miasa isan’andro hametrahana tontolo ara-bola ho an’ny rehetra, mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena».
Njaka A.