Nahitana fihenana, nanomboka ny alarobia teo, ny vidin’ny gaz. Lasa 60 800Ar ny vidin’ny vitogaz 9 kg raha toa ka 63 000Ar izany teo aloha. « Nihena toy izay koa ny vidin’izany any amin’ny faritra », hoy ny fanazavan’ny orinasa vitogaz. Manodidina ny 3,5% ity fihenana ity, izany hoe, 1 000 ka hatramin’ny 3 100Ar. Antony mahatonga izany ny fidinan’ny vidin’ny entona azo avy amin’ny solitany na ny « gaz pétrole liquéfié » (GPL) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Heverina mbola hidina ny vidiny eto an-toerana, araka ny fivoaran’ny toe-draharaha eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Anisan’ny miantoka ny fihenam-bidy indrindra koa ny tanjakin’ny ariary miohatra amin’ireo vola vahiny, indrindra fa ny euro sy ny dolara, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Mahavelombolo ny mpanjifa ny vaovao manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana mampikaikaika ny maro. Etsy ankilany, mbola vitsy ireo mpamongady mivarotra ity entona fandrehitra amin’ity vidiny vaovao ity. Nilaza izy ireo « fa tsy afaka mampidina ny vidin’ny gaz izahay raha tsy efa lany avokoa ny tahiry ». Matiantoka tanteraka ny mpamongady raha hampihatra ny vidina entona fandrehitra vaovao, raha ny fanazavana hatrany.
Henintsoa Hani