Zava-doza raha ny antontan’isa mivoaka mahakasika ny fahasalamam-bahoaka ankehitriny. Misy 50 isan’ andro hoe rey olona ny mahazo tsimokaretina Vih/Sida. Manginy fotsiny ny fiakaran’ny olona ahina hararin’ny kaikitra alika. Ny kitrotro mamono mahafaty. Ny tazo sy ny aretim-pivalanana miampy ny aretin’ny taovam-pisefoana moa tsy lazaina intsony. Tsy sanatrian’ny vava mamendrofendro fa mila mailo sy mandray fepetra ny rehetra.
Anatin’ny vanim-potoanan’ny orana rahateo ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mitobaka ny loto nalevina tany anaty lakandrano nandritra ny maintany. Mahatsiravina ny mijery ny rano miangona anatin’ny minitra vitsy. Mampandoa ny diky mitsikafokafona manerana ny tanàna. Tsy maintsy hirobohan’ny mpandeha an-tongotra izany. Tsy mahagaga ny firogatry ny aretina. Tsy ferana ny fisian’ny aretin-koditra isan-karazany.
Mahakasika izay fahasalama-bahoaka izay, mila hamafisina ny fitandrovana ny aina satria tsy hananam-piry: tokana ihany! Tsy ny aretina samy irery no mahafaty, fa trangam-piarahamonina mampiteny ny tsy mahay miteny ny lozam-pifamoivoizana. Tena mandravarava tokoa. Tsy tambo isaina ny mamoy ny ainy. Ripadripaka ny olona saingy ny fanahy ratsy no mahazo loza. Lesoka anefa ny tsy fahampian’ny fanetanana sy fanabeazana.
Anisan’ny sehatra iray ilana fandraisana fepetra aingana ny fahasalamam-bahoaka. Tsy misy idiran’ny politika sy ny famadian-dresaka ho halako bika tsy tiako tarehy ilay izy. Mila mijoro sy hentitra ny fanjakana amin’ny fitaizana ny olom-pirenena tsirairay. Mba ho sahy hijoro haka ny andraikiny araka ny manandrify azy. Tsy ilay olona toloram-potsiny na miandry mahazo fa mipetraka ho lasibatra.
Raha fehezina, tsy hiandrasana ny fitondram-panjakana samy irery ny resaka fahasalamam-bahoaka. Tsy afa-bela voalohany amin’ny fahavoazany Ramalagasy.
r.r





