Anisan’ny sehatra mampandroso firenena ny toekarena manga sy ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina. Manatanteraka atrikasa mandritra ny dimy andro, nanomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma izao ny “Agence portuaire maritime et fluvial” (APMF). Atrikasa momba ny aroloza sy ny fomba fikirakirana ny entana entina ambony sambo. Mampidi-doza avokoa ireo karazan’entana taterina amin’ny sambo ary mampidi-doza ho an’ny tontolo an-dranomasina. Antony nahatonga ny atrikasa ny hanamafisana ny fahaiza-manao mahakasika izany mba hisorohana ny loza mety hiseho. “Ilain’ny mpiantsehatra rehetra mpikirakira entana eny ambony sambo ity atrikasa ity, entina hanamafisana ny fahaiza-manaony”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny APMF, Randrianantenaina Jean Edmond. Notohizany fa efa tafiditra tanteraka amin’ny fanavaozana ny toekarena isika ka tokony hahafantatra ny pitsopitsony isan-karazany momba izany.
Fifanarahana
Manamafy ny fahavononany handray ny fepetra rehetra ary tsy maintsy manaja ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny lalàn’ny fitaterana entana an-dranomasina i Madagasikara, amin’ny alalan’ity atrikasa ity. Tafiditra anatin’ny vinan’ny politikam-pirenena rahateo ny fanomezana asa mendrika sy madio ho an’ny fitaterana an-dranomasina mampaharitra ny toekarena manga.
Henintsoa Hani