UCTS : tsy misondrotra ny saran-dalana

Tsy miray hevitra amin’ny mpitatitra eto an-drenivohitra, UCTU, mikasa ny hampiakatra ny saran-dalana ho 800 Ar ny manodidina ny tanàn-dehibe mivondrona ao anatin’ny UCTS. Tsy mihevitra ny hanondrotra ny saran-dalana velively izy ireo, satria tsy mihetsika ny vidin-tsolika.

Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny Fiombonan’ny kaoperativa mpitatitra manodidina ny tanàn-dehibe (UCTS), Rakotoarimanana Fidimalala, omaly. Nohitsiany fa tsy ma­nana eritreritra hampiakatra saran-dalana ny UCTS. Tsy maintsy amin’ny alalan’ny fivoriambe ny fandraisana fanapahan-kevitra, saingy tsy misy ny fikasana hanaovana izany hatramin’izao. Raha tsiahivina ny tamin’ny taona 2022, niakatra ny vidin-tsolika ka nahatonga ny nampiakarana ny saran-dalana. « Tsy nisondrotra anefa ny vidin-tsolika hatramin’izao, ka tsy misy antony tokony hampiakarana ny saran-dalana », hoy ihany izy.
Nomarihiny koa fa tsy mitovy ny saran-dalana ao amin’ny UCTS, fa arakaraka ny halaviran’ny lalana. 30 km manodidina ny Renivohitra ny mamaritra ny zotran’ny UCTS.
Miisa 36 ny kaoperativa mpikambana ao.

Hiakatra 172% ny saram-pitsirihana

Nanamarika kosa ny filohan’ny UCTS, fa hiantraika amin’ny masonkaren’ny mpitatitra ny hampiakaran’ny fanjakana ny saram-pitsirihana teknika amin’ny volana aogositra ho avy izao.
Hiakatra ho 95 000 Ar ny saram-pitsirihana raha toa ka 34 800 Ar ho an’ny fiara mitondra mpandeha 25 hatramin’ny 50 toerana. Izany hoe, hisy fisondrotana 172%. Hitombo koa ny vola fandaniana, satria lasa misolo isaky ny efa-bolana ny karatra volomparasy, nefa isaky ny telo taona taloha.
Midika ireo fa samy manana ny heviny ny UCTS sy ny UCTU. Ity farany izay nanapa-kevitra samirery ny hampiakatra ho 800 Ar ny saran-dalany. Tsy mihevitra ny hanondrotra ny saran-dalany koa ny Fiombonan’ny mpitatitra eto Antananarivo (FMA), izay miasa eto an-drenvohitra rahateo.

Njaka A.

Partager sur: