Zaza roa maty : namosaviana tamin’ny mofo

Indray namoy ny ainy ny zavavavikely vao roa taona sy efa-taona, teny An­karao­bato. “Na­mo­saviana ta­min’ny mofoanana nisy poizim-boalavo izy ireo”, hoy ny fianakaviana.

Vao hampidirina an-tsekoly amin’ity taona ity! Anisan’ireo namoy ny ainy vokatry ny fihinanana mofo nisy poizina i Nekena Laury, zazavavy 4 taona. Maty niaraka taminy ihany koa ny zazavaikely iray vao roa taona monja, raha nentina nialana nenina teny amin’ny hopitaly. Telo vavy izy ireo no niara-nilalao sy nihinana mofo nisy poizim-boalavo, nomena vehivavy azy ireo.

«Nitondra mofo avy tamin’ ny olona iray mpiray tanàna ny zaza 5 taona. Nizara tamin’ny zanako sy ny zaza iray hafa izy», hoy i Nantenaina Mami­ni­aina, renin’i Nekena. Mo­fo­anana voaendy no nohanin’izy telo vavy. Nivoitra nandritra ny fanadihadiana ifotony fa hafahafa ny mofo. Vokany, nesorin’ireo olon-dehibe teny an-tanan’izy telo vavy ny mofo. Mbola nihinana anefa izy ireo. Tampoka, dimy minitra taori­an’izay, nivadika mangana ny vavany. Nifamonjena sy nomena ranom-potaka izy telo vavy. “Noloarako tamin’ny tanana ny tendan’ny zanako”, araka ny fanamafisan-dRafanjama­lala Faniry, renin’ilay zaza dimy taona. Nihombo ny aretin’ireto ankizy. Nentina nihazo ny dokotera saingy tsy vita. Efa tsy avotra intsony ilay zaza 2 taona tao anaty fiara hihazo ny hopitaly. Novonjen’ny mpitsabo ilay zaza 4 taona sy 5 taona. Tsy tana ny ain’i Nekena, ilay zaza efa-taona. Avotra tamin’ity fanapoizinana ity ilay zazavavy 5 taona.

Poizim-boalavo
Nanendinendy mofo tao an-tranony ny ramatoa iray. Nomeny tamin’io mofo nendasiny io ilay zazavavy 5 taona. Rehefa tonga teny anivon’ny hopitaly, voamarina fa nihinana sakafo nisy poizina tokoa izy telo vavy. “Nambaran’ny mpitsabo fa nihinana lafarinina lany daty niampy poizim-boalavo ny zanakay”, hoy Rafan­ja­malala Faniry, renin’ilay avotra soa aman-tsara. Mpitsindroka fatim-by sy plastika ilay ramatoa nanao ny mofo.

Nosavain’ny mpitandro fi­la­minana ny tranony, izay ve­hivavy mipetra-drery. Nahitana poizina famonoam-biby tamin’ ny fonosana plastika.

 

Voasambotra ilay ramatoa

Ny harivan’ny talata teo ihany, nandray an-tanana ny raharaha ny polisy. Efa nitangoronan’ny fokonolona tao an-tranony ilay ramatoa nanome ny mofo. Niroso tamin’ny fisamborana azy ny mpitandro filaminana, io afakomaly hariva io ihany. “Anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay”, hoy ny kaomisaria Atsimondrano. Manoloana ity tranga ity, nanamafy ny fianakavian’ny zaza lasibatra fa tsy hanaiky ary hitory io ramatoa nanome mofo ny zaza io.

Manana toetra hafahafa io ramatoa io. “Tsy mahazo mikitika ny zana-badin’io anadahiny io akory ity ramatoa nanome mofo ireo zaza telo vavy ity, noho ny tsy fahatokisan’ny havany azy”, hoy ny renin’i Nekena, ilay zaza 4 taona. Ankoatra io, efa naneho fihetsika nampanahy ny manodidina azy ilay ramatoa nanao mofo, ny faran’ny herinandro teo. “Nisy hasoavana tato aminay ny sabotsy teo”, hoy ny renin’i Nekena. Tsy voaantso io ramatoa io kanefa niditra tao amin’ ny trano nisy ny raharaha. “Nanao kisarisary mamo, mody natory teo akaikin’ilay vary tamin’ny lovia izy ary mety efa saika hanisy poizina”, hoy izy.

“Hitory eny anivon’ny tomponandraikitra mahefa izahay rehefa vita ny fandevenana”, hoy hatrany ny fanamafisan’ny renin’i Nekena. Marihina fa zanak’olona samy hafa avokoa ireo telo vavy. Nandray an-tanana ny fanampiana ireo fianakaviana mana-manjo sy ny fitsaboana ilay zaza hany sisa velona kosa ny kaominina Ankaraobato.

Nanatontosa : Tsiferana Randriatiana

Partager sur: