Vinavinaina horaisina amin’ny fomba ofisialy amin’ny volana aogositra izao ilay tetikasa fitaterana an-dalamby “train urbain” (TU). Efa tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny faran’ny volana may teo ihany koa ireo fiarandalamby hampiasaina amin’ity tetikasa ity. “Amin’ny fiandohan’ny tetikasa dia mbola handeha amin’ny solika, gazoala, ny fiarandalamby. Ary fiantsonana 5 amin’ireo 8 no efa azo ampiasaina”, hoy ny fanazavan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo. Ankoatra izay, efa misy ny tetikasa hamatsiana herinaratra ireo fiantsonana, amin’ny alalan’ny tambajotran’ny Jirama sy avy amin’ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, hoy ny fanazavana. Efa voatsirika avokoa ny tambajotra hamatsiana herinaratra ireo fiantsonana ary an-dalam-panatanterahana ny asa ny Jirama. Fantatra fa handeha amin’ny herin’ny masoandro manontolo ny TU aoriana kely. Mandeha manaraka izay ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity fampiasana angovo azo havaozina ity.
Henintsoa Hani