Nihaona tamin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, (CUA), Andriantsitohaina Naina, omaly ireo mpikambana ao amin’ny Fiombonan’ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU). Nilaza ny fitantanana ny CUA, fa tsy mbola fotoana tokony hampiakarana ny saran-dalana izao. Koa, nangataka ny ben’ny Tanàna mba ho aorian’ny fifidianana ho filoham-pirenena sy ny fanaovany fianianana amin’ny 2024 vao hifampidinika ny hanitsiana ny saran-dalana.
Nambaran’ny filohan’ny UCTU, Randrianatoandro Lova, fa ilaina foana ny fifampidinihana rehefa misy tranga toy izao.
Mahatsapa ny fitantanana ny CUA fa mavesatra ny masonkaren’ny mpitatitra. Hojerena miaraka ny hampihenan’ny sampandraharaha fitsirihana ara-teknika ny fiara. Marihina fa tafakatra 172% ny fisondrotan’ny fitsirihana tokony hihatra amin’ny volana aogositra. Mikasika ny lalana, efa maro no nataon’ny CUA ary mbola mitohy.
Nanatrika ity fihaonana ity koa ny talen’ny fitaterana an-tanàn-dehibe (DTMU) ao amin’ny CUA, ny tale jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), ny solontenan’ny minisiteran’ny Fitaterana.
Njaka A.