Miditra tanteraka ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Hampifaly sy hanampy amin’ny fitaizana ireo ankizy sy tanora tsy ho variana na hirona amin’ny karazana zavatra mamoafady sy zava-mahadomelina ny klioba misehatra amin’ny fanaovana baolina kitra.
Maro ny klioba na baolina kitra mitsangana eto amin’ny firenena ankehitriny. Entina mitaiza ireo ankizy manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izy ireny amin’ny ankapobeny. “Tanjona ny ady amin’ ny fiparitahan’ny rôrô sy ny karazana zava-mahadomelina ary hitaizana ny ankizy hanana toetra mendrika sy handray andraikitra eo anivon’ny tokantrano ary hanatsarana ny hoavin’ny ankizy”, hoy ny mpanazatra eo anivon’ny Association sportive Fanantenana eny Maibahoaka Talatamaty, Raheriniaina Bruce Michel. Mandranto sy manamafy ny firaisankina eo anivon’ireo klioba tsirairay manerana ny faritra ihany koa ny lalao baolina kitra. “Mila manana fomba fijery hanome sehatra sy hampiroborobo ny taninketsa ny rehetra ary hanana politika maharitra amin’izany raha tiana ny handroso”, hoy hatrany izy. Natao hoan’ny rehetra ny baolina kitra fa tsy natokana ho an’ny sarangan’olona voafantina irery ihany. Tsara hofanina hahalala ny kolontsainan’ ny baolina kitra dieny mbola kely ny zaza. Mora sy mandeha hoazy izany rehefa ao anatiny ny fitiavana sy finiavana hanao izany rehefa lehibe. Nilaza izy fa sarotra ny hamolaka sy hanitsy ny olon-dehibe iray. Hita misongadina ny zava-bita sy ny vokatra andrasana rehefa dieny mbola kely izy ireo dia hofanina.
Anisan’ny klioba iray misarika ankizy eo anelanelan’ny 11 hatramin’ny 16 taona, ny fileovana ao amin’ny Association Sportive Fanantenana etsy Talamaty Maibahoaka. Ahitana “categories” telo hivondronan’ireo ankizilahikely ary hitarina amin’ny vehivavy ihany koa izany. Maherin’ny 50 ireo ankizy nandalo sy mivondrona ao anatin’ny tao anatin’ny 30 taona nisiany. Miatrika fifaninana maro samihafa ireo ankizy arakaraky ny taonany. Nilaza izy fa tsara ny fitarihana ny zaza dieny mbola kely, hizotra amin’ny lalana mahasoa ka antony nandrisika azy ireo hanangana ny klioba. Ahatongavana amin’ izany ny fampidirana azy ireny ao anaty fikambanana filalaovana baolina kitra. “Taranja iray afaka hanofisan’izy ireo ny hoavy mamiratra eo amin’ ny fiainana ihany koa izany”, hoy izy. Mikarakara hetsika fifaninanana matetika ny fileovan’izy ireo ary mivelatra amin’ny fifaninana rehetra anatiny sy ivelan’ny faritra misy azy ireo. Anisan’ny takin’ izy ireo ny rafitra sy ny fitantanana any amin’ny “section”. Ankoatra izay, hialana ny baolina kitranoantrano, fa anisan’ ny tsy mampivoatra ny baolina kitra eto Madagasikara izany, raha ny fanazavany hatrany.
Ampiofanina amin’ny taranja maro
Tsy mahavita mitaiza ny zanaka ao an-trano noho ny fahasahiranana amin’ny asa aman-draharaha ny ankamaroan’ny ray aman-dreny, raha ny zava-misy. Fepetra iray tsy maintsy fehezin’ny ankizy misehatra ao anatin’ny klioba ny fitaizana ara-tsaina sy ara-batana. Tsy vitan’ny mpampiofana irery anefa izany fa ilaina fanampian’ny ray aman-dreny. Ho azy ireo manokana, maro ny fampiofanana (théorie sy pratique) ny ankizy ao anaty fileovana. Omena tohana ara-tsaina ireo ankizy mba hanaja ny fitsipika mifehy ny lalao. Hampianarina ny fahaiza-miaina sy fahalalam-pomba, hiteny vahiny (Anglais sy Français) izy ireo. Ilaina ny fahaizana miteny vahiny rehefa hilalao any ivelan’ny firenena. Ankoatra izay, hampianarina hifehy ny Kajy sy ny Tantara ary Jeografia.
Anatin’ny ara-tsaina sy ara-pahendrena eo no mampivoatra ny ankizy. Mitaiza ny ankizy tsy hitroatra, mila fantatr’ izy ireo ny fetra. Mampifandray ihany koa ny baolina kitra ary mpifaninana fa tsy mpifahavalo. Tokony hipetraka foana ny “fair play” eny ambony kianja.Tsy tokony hisy ny valifaty, mipetraka sy hita eny anivon’ny tokantrano izany fahendrena izany. Mila fifikirana, faharetana, mahay mandanjalanja ny fihetseham-po.
Ilaina ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana toy ny voankazo (akondro, voasary…). Ilaina be koa ny misotro rano satria mampitombo ny ankizy izany.
Nanatontosa: Mino
(Sary nomena)