«Festival des baleines» : Tontosa na maro aza ny sakana

Fanainga ho an’ny sehatry ny fizahantany eto an-toerana ny “Festival des baleines” andiany fahenina teo. Tsara ny tombam-bokatra ary feno avokoa ireo trano fandraisam-bahiny tao amin’ny Nosy Boraha (Ste Marie) nandritra ny herinandro mahery nanaovana ny hetsika. Na izany aza, betsaka ireo hetsika tsy tontosa noho ny haratsin’ny toetr’andro. Ani­san’izany ny tolotra andiany faharoa ahitana ireo trozona teny an-dranomasina izay niteraka fahasorenana ho an’ ireo mpizahatany tonga maro nandeha lamasinina. Niezaka nandamina sy nitady vahaolana momba ireo sakana ny mpikarakara saingy voatery na­janona ireo hetsika noho io haratsin’ny toetr’andro io hatrany.

Afapo
Tsy nahasakana ny fanentanana sy hetsika samihafa anefa ireo rehetra ireo. Na­m­pihetsi-po sy namaly ny filan’ ny mpanatrika ny tolotra na­taon’ireo mpikarakara. Anisan’ izany ny horonantsary sy va­lan­dresaka ary fampahafantarana momba ny trozona. Nisy ihany koa lalao niarahana tamin’i Julien Lepers, mpiahy ny “Festival des balei­nes” hatramin’ny taona 2015. Nisy ihany ny lalao nifarimbonan’ny tanora avy amin’ny fokontany ao amin’ny Nosy Boraha. Ary ny fanentanana nataon’ireo orinasa sy mpandraharaha ao an-toerana toy ny rugby. Samy nahazo loka avy amin’ireo mpikarakara sy mpiara-miombon’antoka avokoa ireo mpandray anjara rehetra.

Henintsoa Hani

Partager sur: