Manangona ny antontam-baovao rehetra mikasika ny tontolon’ny toekarena ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tsikariny fa nihemotra ny fandrosoana ara-toekarena teto amintsika, tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2023.
Lafin-javatra maro no jeren’ ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) amin’ny toekarena eto amin’ny firenena. Manan-danja lehibe amin’ny lafiny fampandrosoana ny entin’ny mpandraharaha tsy miankina. Araka ny tatitra navoakany farany teo, nihemotra ny fandraharahan’ ny orinasa tsy miankina ny telovolana voalohan’ny taona 2023 teo, raha oharina tamin’ ny taona 2022, nandritra io
fe-potoana io.
Voakasik’izany ny lafiny varotra, ny famandrihan’ny mpanjifa, ny fampiasam-bola ary ny fandraisana ny mpiasa. Niantraika any amin’ny tokony ho tombombarotry ny orinasa ireo voatanisa ireo ny foiben’i Madagasikara, mifanahantsahana ny tranga tamin’ny telovolana voalohan’ny taona 2019 ireo vokatra hita ireo. Antony mety mahatonga izany ny fisondrotan’ny karama farany ambany ho an’ny mpiasa, ny fiakaran’ny vidin’ny akora fototra eto an-toerana sy avy any ivelany, nanomboka ny telovolana voalohany, ny taona 2023. Nitarika ny fisondrotan’ ny masonkaren’ny mpandraharaha sy ny orinasa tsy miankina izany rehetra izany.
Hiarina tsikelikely
Na izany aza, tsy very fanantenana ny mpandraharaha tsy miankina. Ho an’ny telovolana faharoan’ny taona 2023 sy ny manaraka, mahatsapa izy ireo fa hiarina tsikelikely ny seha-pihariana isan-tsokajiny. Ao anatin’izany ny hiroboroboan’ny varotra, ny famoronan’asa ary ny fampiasam-bola. Izany hoe, mahita ny Banky foiben’i Madagasikara fa na miakatra aza ny sandan’ ny masonkaren’ny mpandrarahara sy ny orinasa tsy miankina, manantena izy ireo fa tokony hitombo ny tombombarotry ny orinasa ato anatin’ny telovolana manaraka sy ny ho avy.
Njaka A.