Rivo-baovao ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fandraharahana ao Manakara ny Wifiber. Tonga ao amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany, ny herinandro teo, nitondra io tolotra io ny ekipan’ny Orange Madagascar, notarihin’ny tale jeneraliny, Frédéric Debord. Nohainoana nandritra izany ny filan’ireo mpandraharaha sy mponina ao an-toerana enti-mampandroso ny asa fivelomany. Tolotra internet natao ho an’ny orinasa sy ny mpandraharaha misehatra amin’ny lavanila ny Wifiber Pro, entiny mampiroborobo ity seha-pihariana ity any ivelany. Natao hiasana sy hanaovana fikarohana samihafa koa ny tolotra Wifiber izay misy amina faritra samihafa eto Madagasikara. “Manakaiky ny mpanjifa sy ireo mpiara-miombon’antoka hatrany ny Orange Madagascar. Vonona hampandroso ny sehatry ny fifandraisana sy ny serasera ho an’ny mponina sy ireo mpandraharaha izahay amin’ ny fanomezana ireo tolotra samihafa, indrindra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy ho latsa-danja amin’izany koa ny tolotra niomerika ataon’ny Orange Madagascar ao Manakara”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ity orinasam-pifandraisana ity.
Henintsoa H.