Hampiakatra avo ny toekarena sy ny fiharian’ny tantsaha ao amin’ny distrikan’ Anjozorobe ny fahazoana ozinina mpanodina soja sy voanjo. Hihena ny fanafarana menaka avy any ivelany.
Mitohy hatrany ny politikam-panjakana amin’ ny fampiroboroboana ny tetikasa “One disctict one factory, (odof)” na ny fametrahana ny taninketsa indostrialy. Nametrahana ozinina mahatoto akora fototra 1 200kg isan’ ora, izany hoe, 10t isan’andro eo, ao amin’ny distrikan’ Anjozorobe, ny sabotsy teo. Mamokatra soja 70 000t isan-taona sy voanjo mihoatra ny 15 000t ao an-toerana, antony hanodinana izany ho lasa menaka enti-manatsara ny fiharian’ny tsantsaha mpamokatra. Hahazoana menaka iray litatra ny voanjo telo kilao na soja dimy kilao. “Rariny sy hitsiny raha toa ka milina manodina soja sy voanjo ahazoana menaka no apetraka eto Anjozorobe”, hoy ny minisitrin’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, nandritra ny lahateniny. Araka izany, hampiakatra indray ny toekaren’ny mponina sy ny famokarana ataony ity ozinina napetraka any an-toerana ity.
Tombony
Rivo-baovao amin’ny fiharian’ny tantsaha mpamboly soja sy voanjo ny fahazoana ity milina ity noho izy hanodim-bokatra. Hihena ka tsy hisy intsony ny fanafarana menaka avy any ivelany rehefa mitombo ny famokarana eto an-toerana. Fantatra fa mihalafo ny vidin’entana (PPN) nafarana vao tonga eto amintsika. Ankoatra izay, vonona hanampy ny mpamokatra hijery lalam-barotra hamoahana ny vokatra any an-toerana ny minisitra. Nanao antso avo ihany koa izy ho an’ny fifantenana ireo tetikasa hitantana ny orinasa. Notsongaina manokana ny kaoperativa sy ireo tanora mpandraharaha avy ao Anjozorobe.
Henintsoa Hani