Manomboka miverina tsikelikely ny sehatry ny fizahantany ao Nosy-Be, roa taona taorian’ny krizin’ny Covid-19. Ankehitriny, mahatratra 2 000 isan-kerinandro ireo mpizahatany tonga mitsidika sy miala sasatra ao amin’ity nosy manitra ity, araka ny tatitry ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy-Be (ORTNB). Feno, manaraka izay, koa ny trano fandraisam-bahiny any an-toerana. Anisan’ny nampiakatra ireto taha ireto ny fitomboan’ny sidina avy any ivelany tonga ao an-toerana. Lohalaharana amin’izany ny Ethiopian Airlines. Eo koa ny fiverenan’ny kaompania Airlink ary ny Lot Polish Airlines manao sidina avy any Varsovie mankao Nosy-Be.
Miroborobo
Miisa enina ny kaompaniam-pitanterana ana habakabaka manao sidina any an-toerana. Hanampy isa izany koa ny Madagascar Airlines. Hampitomboina ho 11 isan-kerinandro ny sidina mihazo an’i Nosy-Be mandritra ny volana aogositra, hisy ihany koa ny sidina fanampiny hatao isaky ny alarobia sy sabotsy, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Tanjona ny hampiakarana avo ny toekarena any an-toerana sy ny toeran’ny fizahantany izay mampalaza ity nosy manitra ity.
Velombolo tanteraka ireo mpandraharaha ao an-toerana, manomboka mahazo aina ihany koa ny sehatry ny fandraharahana. Manampy tosika izany ny “festival Somaroho 2023”, atao ao Nosy-Be, ny 2 ka hatramin’ny 13 aogositra izao.
Henintsoa H.