Fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria : hiara-hiasa ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina

Vita sonia omaly, tetsy Anko­rondrano, ny fifanekena eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny sehatra tsy miankina momba ny fandaharanasa ma­haritra ho an’ny indostria. Hi­ara-dia sy hifanome tanana ary hifanohana ny fanjakana sy ny mpandraharaha amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Ahafahan’ ireo mpandraharaha mahafantatra ny sehatra iarahany mi­asa amin’ny Fanjakana sy ny an­draikitra tandrify ny tsirairay izao fifanekena izao. Voalaza ao ny fandraharahana momban’ny fambolena, ny lamba, ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany. Tafiditra amin’izany koa ny momba ny lohamenaka ary ny angovo azo havaozina. Samy sehatra fototra mamaly tanteraka ny filàn’ny mponina ireto voakasika ireto. Hanohi­za­­na izany indrindra ity fanaovan-tsonia ity. Hisy ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasi­kara (CNIM). Rafitra hanaraha-maso ny fanatanterahana izay voalaza ao amin’ny fifanekena araka ny tetiandro nifanarahana.
Mifampiankina
Hanatsara ny hoavin’ny tontolon’ny fandraharahana eto Ma­­dagasikara izao fiaraha-mi­asa izao noho izy hiantraika mi­van­tana amin’ny toekarena. Fi­fan­draisana mari-pototra eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fan­jakana, entina mampiroborobo ny indostria malagasy. Tsia­hivina fa natao iray vo­lana ma­he­ry ny dinika momba ity fan­daharanasa maharitra ity. Nore­sahina nandritra izay koa ny tondrozotra mazava hampiroboroboana ny indostria eto amintsika.

Henintsoa H.

Partager sur: