GEM : mitaky ny hanokafana haingana ny Cnaps

Hentitra ary mitaky tsy misy fepetra ny hanokafana haingana ny Cnaps ny vondron’ny mpiasa sy ny mpampiasa (GEM). Raisin’izy ireo ho fanaovana takalonaina ny mpiasa mpandoa latsakemboka ny fikatsoan’ny raharaha.

Nampiaka-peo manoloana ny raharaha eny anivon’ny tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) ny Groupement des enterprises de Madagas­car (GEM). Mitaky tsy misy fepetra ny hanokafana ny Cnaps ny vondron’ny mpiasa sy ny mpampiasa, hoy ny fa­nazavany, omaly, tetsy Ambo­hijatovo. Sahirana ny mpisitraka fisotroan-dronono, volan-jaza sy vidin-takaitra ary fiahiana sosialy samihafa eo anivon’ity birao ity, noho ny fitokonana ataon’ny mpiasa efa ho iray volana. “Tsy mitombina, na amin’ny votoatiny, na amin’ny fomba fanao, ilay fitokonana ataon’ny sendikan’ny mpiasa”, hoy ny filohan’ny GEM, Rajaona Thierry. Noto­hizany fa mety misy ambadika politika ity hetsika ity ka mahatonga azy ireo mitaky ny fanapahan-kevitra hentitra. Mi­om­bon-kevitra amin’ny GEM ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FivMpaMa) ary ny Conférence des travailleurs de Madagascar (CTM).

Ela
Efa talohan’ny taona 2022 ny olan’ny Cnaps. «Anisan’ny fampindramam-bola nandaniana volabe ilay centre de loisir eny Vontovorona. Saingy tsy atao akory izany. Tsy ara-dalàna ireo fotodrafitrasa natao ary mila fanarenana handraisana ny lalaon’ny Nosy io ivontoerana io», hoy ny solontenan’ny mpampiasa ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Cnaps, Andriamamon­jiarison Noro. Ampahany koa ireo vola nampindramina ny Air Madagascar, trano fandraisam-bahiny lehibe samihafa, Seimad, MGH, Secren izay talohan’ny taona 2022 avokoa. Hatramin’izao, mbola ny kaominina Antananarivo Re­nivohitra ihany no mbola mamerina ara-dalàna ny vola nalainy, araka ny fifanarahana natao.

Henintsoa Hani

Partager sur: