Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 2 aogositra teo, ny fanendrena an-dRahaingonjatovo Vimbina, ho tale jeneraly (DG) vaovao, hitantana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS). Miisa dimy ny nandrotsaka antontan-taratasy hofidin’ny fanjakana, ka izy izany no voasivana farany.
Miverina miasa daholo ny mpiasan’ny CNaPS rehetra sady misokatra amin’ny ora mahazatra (8 ora-4 ora hariva) ny masoivoho manerana ny Nosy, araka izany. Tsiahivina fa nitokona tsy niasa izy ireo, hatramin’ny nisian’ny raharaham-pitsarana ho an’ny tale jeneraly mpisolo toerana (DGPI), Rtoa Tsaboto Joslina, tamin’ny faramparan’ny volana jona 2023 teo. Nisy ny fanehoan-kevitra samihafa, ary izao notendrena izao ny hitazona ny toeran’ny tale jeneraly.
Anisan’ny naneho hevitra farany tamin’ny alatsinainy teo, ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem), mitaky ny hanokafana haingana ny masoivohon’ny CNaPS. Anisan’izany koa ireo zokiolona sy ny mpiasa amin’ny tsy miankina, mpandray fisotroan-dronono sy manana antontan-taratasy karakaraina.
Njaka A.