Tsy hanaiky ny tapaky ny Vaomiera eoropeanina izay mametra ny taha farany ambony azo ekena amin’ny fisian’ny nikotinina ao anaty lavanila ny firenena malagasy. Hitsangana ny “task force” misy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny hanao ny adisisika mivantana any amin’ ny Vaomiera eoropeanina.
Nametra ny taha farany ambony azo ekena momba ny singa sasantsasany ao anaty sakafo ny Vaomiera eoropeanina tamin’ny fitsipika lf: 2023/377, ny 15 febroary teo. Tafiditra tao anatin’izany ny lavanila, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Misy nikotinina mihoatra ny taha farany ambony napetraky ny Vaomiera eoropeanina io ny 60% ny lavanila malagasy araka ny voka-pitsirihana. Ho sakana amin’ny fanondranana lavanila malagasy eo amin’ny tsena eoropeana ny fampiharana io fepetra io.
Tsy voaporofo ara-tsiansa sy ara-teknika ny nandraisana ilay fepetra. Tsy afaka naneho hevitra ihany koa ny solontena malagasy eo anivon’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra (OMC) nialohan’ity fanapahan-kevitra ity.
Henintsoa Hani