Nifarana, omaly, ny fikaonandoha iraisam-paritra momba ny fiarovana sy ny filaminana (FIDS) nataon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena tao Morondava, faritra Menabe
Andiany voalohany ity FIDS 2023 notanterahina tao Morondava ity fa mbola ho avy indray ny an’ny faritra hafa. Fandaharanasa novolavolain’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena niarahana tamin’ireo olom-boafidy sy tomponandraikitra eny anivon’ny faritra Menabe, Vakinankaratra, Melaky ary Atsimo Andrefana. Misy ny ezaka nataon’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny fampitaovana ny Foloalindahy, toy ny fametrahana DSS ho an’ny Tafika Malagasy, fananganana kaomisaria isaky ny faritra ho an’ny polisim-pirenena ary ny CSAO ho an’ny zandarimariam-pirenena. Misy ny vokatra azo tamin’ny ezaka natao satria maro ireo faritra mena teo aloha no azo lazaina fa efa milamina raha ny tontolon’ny filaminana sy ny fandriampahalemana no resahina. Nanamafy ireo mpisehatra rehetra tao anatin’ny FIDS ny maha zava-dehibe izao fikaonandoha iraisam-paritra izao satria ny hevitr’ireo mpisehatra rehetra eny anivon’ny faritra no henoina hahafahana mametraka paikady sy fanapahan-kevitra mahomby sy maharitra amin’ny fampandriana fahalemana ny Nosy. Niroso tamin’ny fakan-kevitra iombonana ireo tomponandraikitra ka nizara vaomiera dimy niaraka tamin’ireo lohahevitra manodidina ny tsy fandriampahalemana. Nafana ny adihevitra isaky ny asam-baomiera izay nozaraina lohahevitra samihafa saingy tsy nivaona manodidina ny tsy fandriampahalemana izany. Navela malalaka ny vahoaka haneho ny hetahetam-pony manoloana ny fahoriana iainan’izy ireo momba ny tsy fandriampahalemana. Samy naneho sy namotsipotsitra ny maharary azy ny mponina, indrindra ho an’ireo faritra tena anjakan’ny tsy fandriampahalemana. Malalaka rahateo ny adihevitra sy ny fifandaharana manoloana ireo tomponandraikitra misahana ny fandriampahalemana.
Olana ny tsy fahampian’ny fitaovana
Nangataka ireo mponina eny anivon’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana mba haparitaka ireo mpitandro filaminana. “Tokony hojeren’ny fanjakana akaiky ny fampitaovana, toy ny fiara na moto, mba hanamorana ny asa ara-potoana. Olana toy ny zava-nisy tao Mahabo, distrikan’i Morondava. Miantso izahay fa misy trangana asa-dahalo. Milaza ho tsy manana solika hampiasaina ny zandary ka eo no anavaonay antso avo hoe mba vahaonareo tomponandraikitra izany”, hoy ny fitarainana nataon’ny raim-pianakaviana iray. Tokony hojeren’ny fanjakana ihany ny handraisana ireo zatovolahy nahavita fanompoam-pirenena satria ireny ihany koa no lasa manao dahalo rehefa tsy raisin’ny fanjakana. Nitondra ny hetahetany ny mponina momba azy ireny. “Izay ihany no vahaolana haingana ho anay hialana amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-dahalo”, hoy hatrany ny fanazavana.
Nampintaraina ny mponina ny kolikoly
Mampitaraina ny olona ny zava-misy any amin’ireo faritra anjakan’ny tsy fandriampahalemana, ny tsindry ataon’ny mpitandro filaminana sasany. Manginy fotsiny ny resaka kolikoly avolenta sy ny fanamparam-pahefana ka mampiraviravy tanana ny mponina. Vokany, lasa mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka satria tsy misy azo antoka intsony na ny mpitandro filaminana na ny fitsarana, araka ny fanazavan’izy ireo. Tetsy ankilany, nahitsy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenana (Seg), ny Jly Serge Gellé fa tsy tokony hisalasala ny mponina hiantso azy avy hatrany raha misy fandikan-dalàna ataon’ny mpitandro filaminana. Ho an’ny zandarimaria manokana, efa maro ireo zandary naiditra am-ponja noho ny fanaparam-pahefana sy fandikan-dalàna ka tsy azo ekena velively izany tsindry izany. Nohitsiny koa aza fa matoa mbola misy ny kolikoly dia misy hatrany ny mpanome. Noho izany, tokony ho sahy koa isika mba tsy hiray tendro amin’ny mpitandro filaminana amin’izay fanaovana kolikoly izay. Nanamafy rahateo ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, fa tsy hisy ny fampandrosoana raha tsy misy fandriampahalemana. “Atao lasitra iray hoentina manerana an’i Madagasikara hoenti-mamaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana ity FIDS natao teto Menabe ity. “Tsy mitovy rahateo ny tsy fandriampahalemana manerana ny faritra tsirairay avy”, hoy ny MDN. Na eo aza izany rehetra izany, azo lazaina fa miaina milamina amin’ny ankapobeny ny mponina ao anatin’ny faritra Menabe satria manao izay ho afany hatrany ny mpitandro filaminana amin’ny fampandriana fahalemana.
Nanatontosa : Jean Claude