Hampiakatra ny toekarena ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny ny seranan-tsambo vaovao ao Katsepy. Hanamora ny fifanarahana ara-barotra sy ny fitateran’entana ity fotodrafitrasa ity ary hamorona asa ho an’ny tanora.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny seranan-tsambo vaovao ao Katsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny. Nitarika ny lanona ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, nanotrona izany ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga. Hitondra fampandrosoana sy hampiakatra ny toekarena ao an-toerana ity seranana vaovao ity. Hanamora ny fifanarahana ara-barotra sy ny fivezivezen’ny olona ary ny fitaterana entana izany. Fantatra fa manodidina ny 400 isan’andro eo ny olona mivezivezy amin’ity seranan-tsambo ity. Hampiroboroboana ny toekarena manga sy tosika ho an’ny fampandrosoan’ny toekarena ity fotodrafitrasa ity noho izy hamorona asa ho an’ireo tanora. Manana ny kalitao sy ny fenitra takina amin’ny seranana ny ao Katsepy. Hanamora ny fandaminana ny asa isan-karazany ity fotodrafitrasa ity ary hipaka mivantana amin’ny lafiny toekarena sy sosialin’ny mponina sy ny kaominina ary ny faritra Boeny sy Melaky ny tombontsoa azo avy amin’izany.
122 taona
Taorian’ny fitokanana ny seranan-tsambo, tonga nijery ny “phare” ao Katsepy ireo tomponandraiki-panjakana nitarika ny lanonana. Miavaka tanteraka io “phare” io noho izy naorina tamin’ny taona 1901 ary mahasarika mpizahatany ny hijery izany. Misy ihany koa ny ampaham-bola aloan’ny sambo entina ikojakojana hatrany io “phare” mahatratra 122 taona io. Famantarana fidirana sy fivoahan’ny sambo amina seranana iray izy ary fatiantoka ny tsy fananàna azy noho izy tsy mandrisika ny sambo hiditra amina seranana iray.
Henintsoa Hani