Natao ho an’ny sakafom-biby ny 46%-n’ny katsaka eto Madagasikara. Tsy maharaka ny tolotra sy ny vokatra eto an-toerana satria miha mitombo ny mpampiasa, toy ny orinasa vaventy na salantsalany manodina azy ho provandy. Lafo, araka izany, ny vidiny eo amin’ny tsena, satria tafakatra 2 100 Ar hatramin’ny 2 800 Ar ny kilao amin’izao fotoana, araka ny tatitry ny mpampiasa azy. Manoloana ireo, mangataka fahazoan-dalana amin’ny fanjakana ny Vondron’ny matihanina amin’ny sehatry ny fiompiana akoho manatody lava sy ny fakana nofo eto Madagasikara (IPA), ny hanafarana katsaka avy any ivelany. Efa nanao antso avo momba izany koa ny mpandraharaha misehatra amin’ny fiompiana ombivavy beronono.
Tsy mbola nilaza ny heviny tamin’ny fomba ofisialy mikasika izany ny fanjakana. Efa nisy ny atrikasa, notarihin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny 5 mey 2023 teo, miompana amin’ny fiatrehana sy fikarohana vahaolana manoloana ny ambana ho an’ny katsaka sy ny voanjo. Fivoriana notohanan’ny Fida, ao anatin’ny tetikasa Parm.
Njaka A.