« Atsimondrano fitaratra 2023 ». Io no fanambin’ny distrikan’Atsimondrano. Na teo aza ny krizy Covid-19 sy ny ara-toekarena maneran-tany, maro ny fotodrafitrasa mitondra fampandrosoana vita tao anatin’izay efa-taona sy tapany izay.
Miisa 26 ny kaominina ao anatin’ny distrika Atsimondrano, tantanin’ny IRD ny 11. Ho an’ny fanamboaran-dalana, misy ny arabe vita godirao, rarivato, miampy ny lalankely manerana ny kaominina. Vita rarivato ny eny Itaosy, Ambohidrapeto, Andranonahoatra, Behenjy, Ambavahaditokana, Soavina, Ampitatafika-Alatsinainy Ambazaha, sns. Toy izany koa ny any Ambohimanatrika, kaominina Tanjombato. Mitohy ny asa eny Vontovorona, Ambatofotsy-distrika Andramasina,…
Maro ny sekoly manara-penitra naorina. Toy ny Lycée Tongarivo Tanjombato, Andranonahoatra, Androhibe Antsahadinta, Alatsinainy Ambazaha. Ny CEG Ampitatafika, Ambohijafy, Tanjombato, Ambohidrapeto, ….. Vita ny EPP Ambohidronono Ampanefy, Mahabo Andoharanofotsy, Tsarahonenana, Soamanandray Tsiafahy, Iavoloha, sns.
Ho an’ny fahasalamana, tafapetraka ny CSB II manara-penitra eny Alakamisy Fenoarivo sy Androhibe. Vita ny Ofisy miady amin’ny zava-mahadomelina eny Ambavahaditokana Itaosy. Ho an’ny fanatanjahantena, nahazo kianja manara-penitra ny CFFA Andoharanofotsy. Havadika manara-penitra ny kianja any Antaninkatasaka Bemasoandro Itaosy… Misy kianja tsipy kanetibe eny Tongarivo Tanjombato. Nohavaozina ny toerana fialamboly Analamanga Parc, sns.
Fanadiovan-drano
Ho an’ny lafiny sosialy, ny didim-poitra ho an’ny zazalahy mananika ny 1 000. Teo koa ny fanampiana Vary tsinjo, Tsena mora, Tosika fameno, sns. Nahazo ivontoerana ny zokiolona eny Soavina. Manana tsena manara-penitra ny eny Alatsinainy Ambazaha. Misy toerana fanadiovan-drano fisotro eny Anosizato, Tanjombato, Bemasoandro Itaosy, Ankadimanga. Maro ny tanàna nahazo jiro manazava arabe.
Hetahetan’ny mponina ny hamitana ny lalana RIP 1 (Soavina, Ampanefy, Ampahitrosy) sy ny fananganana tohodrano hanondraka velaran-tany hambolena.
Solombavambahoaka tokana voafidy ao amin’ny distrika Atsimondrano Ratsivahiny, avy amin’ny IRD.
Njaka A.