Maromandia Analalava : fambolen-kazo honko miisa 80 000

Manana velarana ala hon­ko midadasika indrindra eto Madagasikara ny faritra Sofia. Nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy, tany amin’ny kaominina Maromandia, distrika Analalava, faritra Sofia, ny alakamisy 3 aogositra teo, ny Andro iraisam-pirenena hiarovana ny rohivoahary amin’ny ala honko. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD), Rtoa Vina Marie Orléa sy ny governoran’ny faritra Sofia, Lylison André.
Nisy ny fambolena hazo honko miisa 80 000 tamin’ny velaran-tany 8 ha. Sarotiny amin’ny fiarovana azy ny mponina, ka misy ny fiaraha-miasany amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD). Nanamafy ny governora, Lylison, fa tsy handefitra mihitsy amin’ireo mpanimba harena voajanahary ny fanjakana.
Nitohy tany Antsohihy ny fankalazana ny zoma 4 aogositra. Nisy ny Carnaval lehibe nitetezana tanàna, sady narahana fanentanana amin’ny hiarovana ny ala honko sy ny tontolo iainana ankapobeny. Notolorana moto tsirairay avy ny fitantanam-paritra Sofia, Diana ary Sava. Nomena jiro enti-tanana mandeha amin’ny masoandro koa ny VOI miisa 20 any Bealoy Atsohihy. Na­hazo mari-pankasitrahana ny VOI miisa valo nahomby tamin’ny fitantanana ala honko any an-toerana. Marihina fa miisa 106 ny VOI mitantana harena voajanahary ao anatin’ny faritra Sofia.

Njaka A.

Partager sur: