Niatrika ny “Business forum Madagascar – Rwanda” sy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Ao anatin’izany ny momba ny fampiasam-bola. Maherin’ny 40 ireo mpandraharaha sy orinasa nandray anjara amin’izany, ahitana ny Gem, Fivmpama, Sim, Symabio, Goticom, GFEM. Eo koa ny CTM sy ny AAVM ary ny vovonan’ny Ilo menaka any Nosy-Be. Miompana amin’ny harena an-kibon’ny tany ny sehatry ny indostria sy ny fanodinana izany. Eo koa ny tanàna vaovao sy ny teknolojia ary ny volamena sy ny fotodrafitrasa ny maro amin’izy ireo.
Vita sonia tamin’izany ny momba ny “Plan d’implémentation de la collaboration entre la Rwanda Développement Board – RDB” sy ny EDBM. Hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ireo rafitra roa ireo, hanamorana ny fifanakalozana eo amin’ny samy sehatra tsy miankina. Fifanarahana faharoa kosa ny “Mémorandum d’accord sur la coopération économique multisectorielle”, mitondra amin’ny fametrahana ny filankevitra momba ny fiaraha-miasa toekarena marolafy.
Synèse R.




