Mitohy ny trafika: Sokake miisa 24 tany Itampolo Toliara

Tsy mety fongana ny fangalarana an-tsokosoko sokatra. Miisa 24 ny sokatra (so­kake) lehibe hita tany amin’ny tanànan’i Magnary, fokontany Behavoha, kaominina Itam­polo, ao amin’ny distrika Am­panihy, faritra Atsimo Andre­fana, ny alakamisy 3 aogositra teo. Tsy nisy tratra ireo mpanao trafika. Tovolahy mpiandry omby teny an-tsaha no nahita ireo sokake ireo navadika ny vatany teny amorom-pasika. Nampandrenesiny ny ray aman-dreniny, ary ireto farany no nampilaza ny mpiasan’ny fikambanana irai­sam-pirenena “Biodiversity Con­servation of Madagascar (BCM)”, anisan’ny miaro ny sokatra rahateo. Tsy lavitra ny masoivohon’ny BCM ny toerana nahitana ireo sokatra ireo. Nantsoiny avy eo ny fikambanana “Turltle Survival Alliance (TSA)”, mitantana ny toby fitazonana ny sokake any Itam­polo. Nanampy ny TSA nijery akaiky sady nanao ny fanadihadiana ny zandarimaria any an-toerana.
Vao tamin’ny volana avrily 2023 no nisy halatra sokatra miisa 412 tao amin’ny toby TSA any Itampolo, izay mbola mitohy any amin’ny fitsarana ny raharaha.

Njaka A.

Partager sur: