Fanondranana dipoavatra mena: sarotra ny famokarana ny vokatra tsara kalitao

Manan-karena vokatra fanondrana i Madagasikara, firenena anisan’ny mandray ny tsiperipery malagasy ny ao Azia sy Eoropa. Tsara kalitao ny dipoavatra mena vokarina eto amintsika saingy nihena ny fanafarana izany taorian’ny krizin’ny Covid-19.

Mpamokatra dipoavatra mena na tsiperifery (baie rose) tsara kalitao indrindra eto Madagasikara ny faritra Bongolava. Mamokatra betsaka ihany koa ny faritra Anosy. Maha­tafavoaka hatramin’ny 200t ny mpamboly ao amin’ny faritra Anosy raha ny nambaran’i Wilson, teknisianina iray ao amin’ny fikambanana tsy miankina amin’ ny fanjakana “Action Inter­coopération Madagascar“ (ONG AIM). Mamo­katra 40t isan-taona ny faritra Anosy, araka ny antontanisa nomen’ny tomponandrai­kitra ao amin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, tamin’ny volana avrily. Tsara kalitao kokoa ny dipoavatra mena avy any Bongolava noho ny tahan’ny hamandoana (taux d’humi­dité) ambany, hoy hatrany ny fanazavany. Mahazo vokatra 20t isan-taona ny ao Bongolava, manana ny fenitra “grade 1”, azo aondrana any ivelany avokoa ny antsasak’izany.

Tolotra sy tinady
“Tsara ny tsenan’ny tsiperifery talohan’ny krizin’ny Covid-19. Ankehitriny, nihena ny fanafarana ny dipoavatra mena. Betsaka ny vokatra saingy vitsy ny mpividy”, hoy hatrany i Wilson. Olana amin’ny fahazoana lalam-barotra koa ny dingana sy ny sivana takiana mba hahazoana vokatra tsara kalitao. Maro, hoy izy, ny mahafehy ny lalam-pamokarana saingy mila hamafisina ny hahazoana ny fenitra maha biolojika ny vokatra, izany hoe ilay “grade 1”. Notsipihiny fa manodidina ny 35 000Ar ny kilaon’ny dipoavatra mena “grade 1” raha
25 000Ar ireo “grade 2”. Tafiditra ao anatin’ny sokajy “All” kosa ireo vokatra rehetra mbola tsy voasivana izay mitotaly hatramin’ny 200t any an-toerana. Kely amin’izay ny ahazoana ny vokatra “grade 1” izay tsy misy fahasimbana raha misy izany kosa ireo sokajy hafa.

Henintsoa Hani

Partager sur: