Asief 2023 – Toamasina : « Tsy nanara-penitra ny fandraisana ireo atleta », hoy ny mpandray anjara

Raisina eny ani­von’ny sekoly ireo atleta sy mpandray anjara mandritra ny lalao ara-panatanjahantena iraisan’ny minisitera « Asief 2023 » any Toamasina, ankehitriny. Tsy mendrika izany fa tokony ho raisina any amin’ny trano fandraisam-bahiny izy ireny, raha ny fanazavana.

Anisan’ny mpilalao sy mpandray anjara mitondra fanamarihana amin’ny fizotry ny Asief 2023 any Toamasina ny avy amin’ny ta­ran­ja “Law tennis”. No­kianin’izy ireo ny fomba fikarakarana sy fikirakirana, ary ny fomba fandraisana amin’ny lalao. Lalao izay tanterahina any Toama­sina, nanomboka ny voalo­han’ny volana hatramin’ny 12 aogositra ho avy izao. Naha­tratra 20 000 ny vahiny tonga any an-toerana, notsinjaraina tamin’ny ivontoerana 34. Nilaza ny mpilalao fa tsy tokony hapetraka any amin’ny sekoly ny atleta, fa any amin’ny trano fandraisam-bahiny. “Hiteraka fa­hasahiranana ho an’ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ( Fram) ny fametrahana ny vahiny eny anivon’ny sekoly”, hoy hatrany izy ireo. Man­doa “droit d’engagement” ny re­hetra, nefa mbola takina hofana kianja sy vola ihany koa. Nandoavana 220 000 Ar ohatra ny hofan’ny harato ho an’ny tennis. Ankoatra izay, tsy tokony ho natao amin’ny va­nim-potoana be orana ny lalao.
“Tsy nahazo nandray anjara ireo tsy nanaraka fepetra sy nanala baraka ny mpiasam-panjakana”, raha ny fanaza­van’ny filoha nasionalin’ny Asief, Andrianarison Jean aimé na John Love. Hatra­min’ny niatombohan’ny fifaninanana, tsy nisy andro maina fa oram-be nikija hatrany. Ni­tarika fahasahiranan’ny maro izany. Vokany, nisy ireo mpan­dray anjara narary. Tsy afaka nifaninanana intsony ny ankamaroan’izy ireo. Dibo-drano i Toamasina, mikorontana ny fifamoivoizana, tsy mi­hato ny fahatapahan’ny herinaratra, tsy mandeha araka ny fandaharam-potoana ny fifaninanana.

Fampanantenana kianja

Nialoha ny taona 1985, na­hatratra 35 ny kianja fanaovana baolina kitra tao Toama­sina Renivohitra, azon’ny re­hetra nilalaovana. 12 ny kianja ho an’ny basikety sy handball ary volley-ball. Taorian’ny taona 1985, nihena 11 ny ki­anja ho an’ny baolina kitra fa nanamboatra kianjan’i Barika­dimy ny mpitondra ankehitriny. Lasa kianja manara-penitra izany amin’ izao fotoana izao. Na­lain’ireo tomponandraki-panjakana tany an-toerana an-keriny izany, toy ny kianja fanaovana basikety ankalamanjana rehetra 12. Tsy nisy fanapotehana sy fanamboarana kianja, ny fitondran’i Zafy Albert. Kianja fanaovam-baolina efatra no nanorenana trano nandritra ny fitondran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Tao Sa­lazamay sy Ambohijafy ary tsy nisy fanamboarana kianja vaovao tamin’izany. Nanjaka ny resa-bola tamin’ny fitondrana Tetezamita ka novidian’ny mpanambola izy ireny. Toy ny tao Morarano, Ambalakisoa, Salazamay atsimo. Nihena 5 sisa ireo kianja filalaovan’ny tanora nandritra ny fitondrana teo aloha, Hery Rajaonari­mampianina. Tsy nisy fandravana na fanamboarana kianja vaovao ihany koa. Ny fivere­nan’ny filoha ankehitriny, Rajoelina Andry, nanatsara ny kianja ho manara-penitra tao Barikadimy izy. Navadika ha­naovana “Buil­ding” mora ny kianja fanaovam-baolina tany Ambohijafy “terrain Lemalande Eric”. Mbo­la tany, fotaka no hita any. Nampanantena ny filoha fa hanaovana kianja mitafo manara-penitra “Arena Sport”  ny kianja kaominaly. Ham­boarina ho kianja manara-penitra ny eo amin’ny lisea teknika sy ny ao amin’ny Crjs. Mbola resabe koa izany.

Nodinihina sy notapahina indroa

Fahombiazana ho an’ ireo tomponandraiki-panjakana avy amin’ny Tgv/Mapar sy ny mpikambana anivon’ny filankevitra kaominaly voafidy izany, raha ny fanazavana, nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany, nataon’ny filankevitra kaominalin’ny kaominina ambonivohitr’i Toa­ma­sina. Naharitra telo andro ary nifarana ny 12 marsa 2021, teo ny fivoriana. Nodinihina nandritra izany, ny fepetra raisina mikasika ny fanapotehana sy fandravana kianja fanaovam-baolina. Hijerena ny tetikasan’ny filoham-pirenena momba ny fanamboarana ireo kianja mitafo manara-penitra, handraisana basikety, handball, volley, tenisy ary haiady isan-karazany. Hisy ihany koa ny toerana fisakafoana sy fanaovana fampisehoana ara-kolotoraly ary ireo toeram-pivarotana isan-karazany. Tsy nisy afa-tsy mpikambana 12 amin’ny filankevitra 19 no tonga nivory. Nandray vola 500 000 ariary izy ireo, raha ny loharanom-baovao tamin’izy ireo ihany. Tanjona ny handaniana ireo notsipahin’ny filankevitra kaominaly nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa, ny desambra 2020. Nametraka fitoriana eny anivon’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ny prefet-n’ i Toamasina. Vokany, naverina nofidiana sy voafidy indray izany.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: