Maro ny zava-bitan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) any amin’ny faritra Vakinankaratra, nanomboka ny taona 2019, 2020, 2021 ary ny 2022. Nahatratra 30 ha ny velaran-tany vaovao nohajariana ary 857 ha ny nasiam-panavaozana.
Tsy nitsaha-nitombo koa ny voka-bary satria nilanja 352 959 t ny taona 2019, niakatra 453 651 t ny taona 2020, 495 927 t ny taona 2021 ary 561 637 t ny taona 2022.
Miisa enina ny toeram-piompiana filamatra ary 94 ny toeram-piompiana ombivavy be ronono. Dimy kosa ny trano fitahirizam-bokatra naorina. Miisa 128 ny trano fonenana tao anatin’ny tetikasa « Titre vert » ary anankiray ny trano famonoana omby na abatoara.
Milanja 213,85 t ny masomboly vary nozaraina ho an’ny tantsaha, miampy vary safiotra 91,9 t. Nahatratra 17,17 t ny masomboly katsaka voazara, Cuma 7 833 fonosana, masomboly vilona sakafon’omby 108,68 t. Masomboly hafa toy ny tsaramaso, voanjo, soja, sns kosa ny 32,92 t. Taho-mangahazo 107 500 isa, ladim-bomanga 102 590 isa, tahona juncao 1 409 000. Nahatratra 87,415 t ny zezika mineraly nozaraina, zezika organika 648,84 t ary zezika ho an’ny fambolena vilona 2,25 t.
Tohizana ny « titre vert »
Ho an’ny fiompiana, miisa 21 000 ny zanak’akoho nozaraina tamin’ny mpiompy, akoholahy 34 360 ary 29 ny zanaka kisoa. Nahatratra 2 198 581 ny kisoa, omby, ondry, osy, akoho amam-borona, alika ary saka natao vaksiny.
Vinan’ny Minae amin’ity taona 2023 ity ny fanohizana ny fizarana ny «titre vert». Toraka izany koa ny fanajariana ny lemaka sy ny fizarana hanam-pamokarana, toy ny masomboly, zezika, fanafody, sns.
Maro ny tetikasan’ny mpiara-miombon’antoka, hanatanterahana ireo, toy ny “Purpa” vatsian’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ara-bola, ny “Casef” tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, ny “Papriz 2” vatsian’ny Jica japone, “FDA/ fandroso” tohanan’ny Vondrona eoropeanina
Njaka Andriantefiarinesy