Manana ny hery vonjitaitra manokana ho azy ny Tafika Malagasy na ny Groupement des forces spéciales d’intervention (GFSI). Miasa mangina saingy efa nahavita iraka maro.
Miasa mangina hatrany ny hery vonjitaitra fiandry eo anivon’ny Tafika Malagasy, izay manana ny toby famaharany eny Ivato. Mifanome tanana amin’ireo antokon-tafika telo (an-tanety, an-dranomasina ary ana habakabaka) rehefa amina trangan-javatra ilana ny fahaiza-manaon’ireo miaramila «Commando» eo anivon’ity vondrona ity. «Natokana ho hery fiandry eto amin’ny firenena sady hery vonjitaitra manokana afaka mamita iraka manerana an’i Madagasikara ny GFSI. Na an-tanety izany na eny an-dranomasina», hoy ny kaomandy vaovaon’ny GFSI, ny lietnà-Kly Rajaofara Delphin Christian.
Tsy ny miaramila rehetra no tafiditra ao amin’ny vondrona. Misy sivana manokana isaky ny galona ananany. Miankina amin’izay ihany koa ny fiofanana manokana ataony. Takina ny fananana toe-batana tomady afaka miatrika ny iraka ilana «Commando» eny an-kianja. Nambaran’ity manamboninahitra ambony
ity fa ny antony namoronana ny vondrona dia hanatanteraka iraka manokana miaraka amin’ny fahaiza-manao ananan’ireo miaramila voatsonga handrafitra azy.
Fiofanana maro
Maro ny fiofanana tsy maintsy andalovan’ireo miaramila ao anatin’ny vondrona GFSI. «Efa manana fiofanana mahazatra azy ihany ny miaramila fa hafa mihitsy ny fiofanana arahin’ny vondrona», hoy hatrany izy. Anisan’izany ny fanarahana fiofanana manokana ao amin’ny foibem-pirenena fiofanana ho komando (CNEC) Ambatolaona. Eo koa ny fanarahana fiofanana ao amin’ny centre d’aguerrissement et débarquement nautique ao Cap Diego. Eo koa ny fifehezana ny fampiasana ny fitaovam-piadiana natokana ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny vondrona. Ny fiofanana momba ny filatsahana an’elonaina. Fanampin’izany ny fanarahana fiofanana ho komando any amin’ireo firenena miara-miasa akaiky amin’ny Tafika Malagasy. Toy ny ao amin’ny Nosy La Réunion, Afrika, Chine ary Inde. Ao amin’ny premier Bataillon parachutiste Ivato no misy ny vondrona. Efa maro ny fandraisana anjara nataon’ny GFSI saingy miasa mangina hatrany izy ireo amin’ny maha hery fiandry sy amin’ny maha hery vonjitaitra azy.
Tontosa ny famindram-pibaikoana…
Notanterahina teny amin’ny Premier bataillon Parachutiste Ivato ny lanonana famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandin’ny GFSI teo aloha sy ny vaovao. Voatendry ho kaomandy vaovao ny lietnà-Kly Rajaofara Delphin Christian, misolo ny kaomandy teo aloha, ny lietnà-Kly Randriamana Haja Harinjaka. Nitarika ny lanonana ny lehiben’ireo etamazaoron’ny Tafika (CEMA), ny Jly Sahivelo Lala Delphin. Nanome baiko hentitra ireo miaramila ao amin’ny vondrona ny CEMA amin’ny hanarahana ny baiko rehetra omen’ny kaomandy vaovao mba handavorariana ny asa, hanarahana ny fitsipi-pifehezana, hanajana ny lalàna, mba hampandrosoana hatrany ny tanindrazana. Eo ambany fibaikoan’ny CEMA rahateo ny vondrona. Izy no mikarakara mivantana ny fandrindrana ny vondrona. Ny fanendrena ny lehiben’ny vondrona kosa avy amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) rehefa avy nahazo torohevitra avy amin’ny filohan’ny Repoblika.
Iza moa ity kaomandy vaovaon’ny vondrona ity… ?
Ny lietnà-Kly Rajaofara Delphin Christian, teraka tamin’ny 26 aogositra 1985, tao Vatomandry. Nivoaka avy ao amin’ny andiany mivantana faha-32 tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe. Manana mari-pahaizana miaramila maro izy : Chef de section troupes Aéroportées (TAP), moniteur commando tao amin’ny centre national d’entrainement Commandeo, Mont Louis France, ny fanaovana saut à haute altitude niveau B2 dans Para Club, Bourbon La Réunion. Diplôme d’état-major, tao amin’ny école d’état major Fiadanana.
Efa nisahana andraikitra maro koa izy : anisan’izany ny chef de centre national d’entrainement commando (CNEC) Ambatolaona, chef de division opérationnel tao amin’ny BSP, chef de bureau opération ZDS Ikopa ary ny chef de centre de préparation des forces tao Tampoketsa. Efa nandray anjara tamin’ny Opération Spécial Tsimanoto, Opération spécial Fahalemana, ny opération spécial Tandroka.
Nampiavaka azy manokana ny filatsahana an’elonaina tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 26 jona 2019 niaraka tamin’ny Jly Saifoudine Hassanaly.
Nanatontosa : Jean Claude
Sary : Fanou