Maty tao amin’ny « violon »: lehilahy nananton-tena tamin’ny kilaotiny 

Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray, nikasa ny hitrobaka antsy ny vadiny, izay nangataka fisaraham-panambadiana. Nananton-tena  tamin’ny kilaotiny tao amin’ny “violon” izy, ny zoma alina.

Hita faty nananton-tena, tao amin’ny biraon’ny zandary Soamanandrariny-Ambohimangakely, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy 19 novambra teo ny raim-pianakaviana iray. Nifamaly tamin’ny vadiny, ny alin’io andro io izy. Ity farany izay nitaraina tamin’ny mpitandro filaminana noho ny herisetra natao azy. Araka ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana, nivady 15 taona izy sy ity rain-janany ity. Noho ny olana nisy, teo amin’ny roa tonta, nangataka fisaraham-panambadiana izy. Efa nisara-toerana, izy mivady.

Nisintana sy niara-nipetraka tamin’ny zanany miisa telo ilay ramatoa. Ny zoma alina, tonga nanatona ireto vady aman-janany ireto indray rangahy. Nila vaniny tao izy. Notsindrominy tamin’ny antsy ny tarehin’ny vadiny, ka niantso zandary ity farany.

Nosamborina ralehilahy

Tonga nijery ny zava-nisy tao an-toerana, niroso tamin’ny fisamborana an’ity raim-pianakaviana ity ny zandary ho fiarovana ireo efa-mianaka. Niezaka nanilika ireo mpitandro filaminana anefa ralehilahy. Tsy nahatohitra, nohidina tany amin’ny  biraon’ny zandary izy. No ny maraina ny andro, hanome sakafo ity raim-pianakaviana nosamborina ity ny zandary mpiandry raharaha tamin’io andro io. Kinanjo, vatana tsy nisy aina intsony no nihantona tamin’ny hazotafo no novantaniny. Niantso ireo mpitandro filaminana namany hafa hijery ny zava-nisy izy. Nahanton’io raim-pianakaviana io tamin’ny alalan’ny kilaotiny ihany ny vatany. Natao ny fizahana natrehin’ireo mpitsabo avy eo amin’ny CSBII Ambohimangakely sy ny Sefo fokontany. Nentina atao “autopsie” any amin’ny fitoeram-paty HJRA ny razana taorian’izay. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: