Tontosa ny talata lasa teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny filoha teo aloha sy ny filoha vaovao mitantana ny sampandraharahan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana, any amin’ny faritra Atsinanana. Natao teny anivon’ny efitrano malalaky ny « Chambre de commerce et de l’industrie » Toamasina (CCIT) ny lanonana.
«Eo anivon’ny minisitera iadidiko no misy antenimiera fahatelo eto amin’ny firenena dia ny antenimieran’ny varotra”, hoy ny minisitry ny Indostria, Razafindravaha Edgard, izay niatrika ny fifamindram-pahefana. Nilaza izy fa ao Anosikely ny antenimierandoholona, izay voalohany, ao Tsimbazaza ny antenimierampirenena, izay faharoa. « Mpisehatra ara-politika ireo roa voalohany ireo fa mpisehatra amin’ny fampandrosoana eny ifotony sy ny raharaha ara-bokatra ary asa tanana ny Antenimieran’ny varotra », hoy izy. Tanjona ny hampandroso ny faritra sy ny firenena ka tsy tokony hisy resaka politika sy politisianina eny amin’ny Antenimieran’ ny indositria sy ny varotra ary ny fanjifana.
Politikan’ny fampandrosoana sy fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana ny CCI, manerana ny Nosy. Tsy tokony hijanona amin’ny lalam-barotra ny mpitantana fa tsara raha manao fijery miabo. Toy ny fikarohana fahazoan-dalana hahafahan’ny mpandraharaha manondrana entana any ivelany. Nilaza izy fa arahi-maso ny famerenana ny vola vahiny anatin’ny kitapombolam-panjakana. “Ny Antenimieran’ny varotra sy ny fanjifana no mpiara-miombon’ antoka amin’ny faritra voalohany”, hoy Rafidison Richard Theodore, governoran’ny faritra. «Atao araka izay tratra ny hamerenana ny fahatokisan’ny mpandraharaha ny CCI Toamasina», hoy ny filoha vaovao, Kotonirina Robert.
Feno hosoka sy ady lava
21 taona no nisian’ny Antenimieran’ny indositria sy ny varotra, ary ny fanjifana tany Toamasina. Nambaran’ny mpandraharaha izay mpikambana fa tsy nisy fiantraikany tamin’izy ireo sy ny mpanjifa ary ny mpanao asa tanana ny fisian’io sampandraharaham-panjakana iray io. Niafara tamin’ny taon-dasa ny fitantanana ny Antenimieran’ny varotra sy fanjifana nanerana ny Nosy. Nisy zava-doza maro niseho teo anivon’ny CCI Atsinanana nandritra izay taona maro izay. Korontana sy fitokonana ary fahafatesana filoha tampoka. Nisy ny fampidirana am-ponja noho ny kolikoly sy fanodinkodinam-bolam-panjakana. Maro ny filoha mpitantana nifandimby tao. Toa an’ i Levao Nitediavina, nahavita ny fe-potoana 4 taona nitantana ny CCIT, ny taona 2002-2007. Nandimby azy noho ny olana politika maro tamin’ny 2008 i Intsour Eric… Nisy tamin’izy ireo no naiditra am-ponja noho ny kolikoly avolenta. Ankoatra izay, saika korontana sy fifandirana amin’ny sampana seranantsambo misy any an-toerana no miseho. Fifanolanana noho ireo entana nogiazana sy ny saran’ny fametrahan’ entana amina magazay, niafara tamin’ny fanaovana lavanty. Adihevitra eo amin’ny seranantsambo MICTSL sy SMMC, ny CCIT ary ny fadintseranana, ny fandraisana ny saran’ny fitahirizan’entana tsy alain’ny tompony mihoatry ny 15 andro.
Notsipahin’ny fitsarana
Ankilany, naharay fanasana hanatrika ny famindram-pitantanana sy fametrahana ny filoha vaovao ny ekipan’ny Goept, tarihin’ny tale kabinetran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Ampizara Jean Luc. Tsy tonga anefa izy ireo noho ny tsy fankasitrahany ny voka-pifidianana sy ny fifamindram-pahefana. Nametraka fanohanana teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana izy ireo. Nolavin’ny fitsarana anefa izany.
Etsy Andaniny, misy ny fitoriana nataon’ny vondrona GepToa izay nahazo ny fandresena tamin’ny fifidianana an’Ampizara Jean Luc. Efa eny anivon’ny fitsarana ny raharaha. Nampangain’ny mpitory ho nandrovitra taratasim-pandatsaham-bato izy, ny 17 janoary, nandritra ny fifidianana izay ho filoha sy ny mpikambana mandrafitra ny CCIT 31 mianadahy.
Tsy miravona
Ankoatra izay, mbola tsy mifarana ny olana eo amin’ny samy mpandraharaha ao Toamasina. Mitady toerana hitantana ny Antenimieran’ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana izy ireo. Efa nanomboka ny 12 desambra 2022 no nisian’ny fifidianana, manaraka ny didim-panjakana laharana faha-6188/2022-MICC, nosoniavin’ny minisitra, Razafindravahy Edgard, ny 16 marsa 2022. “Hapetraka ny komity vonjimaika hikarakara fifidianana”, hoy ny talem-paritry ny varotra sy fanjifana Atsinanana, Balalahy Jean Berchmas. Ahitana solontena telo avy amin’ny minisiteran’ny Varotra sy fanjifana, iray avy amin’ny minisiteran’ny Vola sy fitantanana anivon’ny faritra, ary efatra avy amin’ny Vondron’ny mpandraharaha ara-ekonomika eo anivon’ny fikambanana handrotsaka kandidà ho fidina sy ho mpifidy nahafeno fepetra, ary solontena iray amin’ny sampandraharahan’ny hetra izany.
Nanatontosa : Sajo