Voavaha ny olana ara-bolan’ireo orinasa mpanao lalana, nanatanteraka asa tamin’ny alalan’ny tsenambaro-panjakana . Maherin’ny 28 miliara Ar ny vola naloa ho an’ireo orinasa 292 nahafeno ny fepetra.
Mitentina 28 107 610 624,80 Ar ny totalin’ny vola naloa tamin’ireo orinasa nanao lalana. Hatramin’ny talata teo, nefaina avokoa ny volan’ireo orinasa miisa 292 eny anivon’ny tahirimbolam-panjakana, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, tao anatin’ny tambajotra sosialy. Herinandro vitsy lasa izay, nilaza ny teo anivon’ny minisitera fa efa vonona ny vola rehetra handoavana ny tsenambaro-panjakana. Afaka mandoa izany avy hatrany ireo tomponandraikitra rehefa feno ny antontan-taratasy samihafa andrasana avy amin’ireo orinasa mpisitraka. Tsiahivina fa nahatratra 577 miliara ny volan’ireo nanao ny tsenambaro-panjakana voaefa, ny volana mey teo. Antontan-taratasy miisa 13 704, izany hoe 73% an’ireo orinasa no nisitraka izany.
Niandry
Voaresaka nandritra ny fivahinianan’ny filoham-pirenena tamina fahitalavitra herinandro vitsy lasa ny raharaha “fonds routier”. Nanome baiko ny minisitra ny filoha hanafainganana ny fandoavana ny voloan’ireo orinasa tsy mbola nahazo ny volany hatramin’ny taona 2019. Taorian’izay, nisy fitsirihana ny asa rehetra. Nojerena ihany koa ireo orinasa tsy mbola nisitraka ny volany.
Tsiahivina fa niteraka resabe teny anivon’ny fiaraha-monina ity raharaha “fonds routier” ity. Maro tamin’ireo orinasa namaly ny tsenam-baro-panjakana no niandry ny volany aman-taonany maro. Tao ireo nilaza fa efa nandefa ny antontan-taratasy rehetra ilaina teny anivon’ny tomponandraikitra voakasik’izany saingy tsy nahazo valiny mahafapo.
Henintsoa Hani