Fihariana : tanora 221 nahavita fiofanana

Fomba iray anisan’ny ma­homby sy mampitombo ary manatsara ny tontolon’ny fa­mokarana ny fanofanana ta­nora ho lasa matihanina amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Miisa 221 mianadahy ireo na­havita fiofanana tao amin’ny « Fiompiana sy fambolena malagasy Norveziana (FIFAMANOR) », tamin’ny alalan’ny tetikasa « Proagro Youth ». Nanaraka lalam-piofanana amin’ny famokarana sy fihariana eny amin’ny tontolo ambanivohitra nandritra ny telo volana ireto tanora ireto. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny FIFAMANOR Andranomanelatra, ny zoma teo. Nahafehy ny fampianarana fototra momban’io sehatra io izy 221 mianadahy ary afaka mampihatra izany avy hatrany hoentina mampiroborobo ny fambolena sy ny fiompiana eny ambanivohitra.
Asa
Hanome aina ny fihariana eny ambanivohitra sady ha­nampy ny tantsaha mpamokatra ny fampiofanana tanora toy izao. Hanolo-kevitra sy hizara teknika ary hanatsara ny famokarana samihafa ireto tanora ireto. Tanjona, rahateo, ny fahavitantena ara-tsakafo sy ny fampanana asa ny tanora. Tonga nanokatra ny lanonana ny governoran’ny faritra Vakinankaratra sy ireo olom-boafidy tao an-toerana. Tsia­hivina fa miisa 101 ireo mpiofana avy ao Vakinanka­ratra, 97 avy ao Amoron’I Mania, raha 27 ireo avy eto Anala­manga.

Henintsoa H.

Partager sur: