Fanatanjahantena : taranja manaitra ny hafanam-pon’ ny tanora ny basikety

Niditra sy nisy te­to Madaga­si­ka­ra ny taranja basikety tamin’ny ta­o­na 1960. Nam­pi­dirin’ireo mpilalao amerikana sy frantsay, raha ara-tantara. Nivoatra tsikelikely ary nihamafy sy nankafizin’ ny tanora teto Ma­dagasikara izany.

Niorina tamin’ny taona 1963 ny ekipam-pirenena, mpilalao basikety teto Madagasikara. Nandray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro nandritra ny taona nifandimby izy ireo. Anisan’izany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay nahazoan’izy ireo ny medaly alimo, tamin’ny taona 2015. Ankoatra izay, Malaga­sy mpilalao maro no nivoatra ho matihanina any Eoropa sy Etazonia. Toa an’i Tariq Abdul-Wahad, mpilalao NBA taloha sy Jonathan Rousselle, nilalao tany Eoropa Atsinana­na sy tany Chine. Tomponan­draikitra mikarakara sy mitarika ary mampivelatra ny lalao ny Fe­de­rasiona malagasin’ny basikety(FMBB). Mikarakara ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly izy ireo, izay niorina tamin’ny taona 1963. Taranja manaitra ny hafanam-pon’ny vahoaka malagasy indrindra ny tanora, ny basikety, raha ny fanadihadiana natao. Fomba iray hampiroboroboina sy ha­m­pivoarana ny maha olona ary ny vatan’olombelona ihany koa izany. “Mahavita manao izany tsy tapaka eny amin’ny manodidina sy ny sekoly sy eny anivon’ny fikambanana maro samihafa ny ankizy na tanora iray rehefa ao anatiny ny fitiavana sy ny finiavana”, hoy ny mpialalao eo anivon’ny Akademia Kin­ta­na Ana­la­manga, Razafin­drakoto Yohan Mandrindra. Nilaza izy fa mampisy sy manamafy orina ny firaisan-kina sy ny firaisam-pirenena ihany koa io fanatanjahantena io. Ankoatra izay, miaro ny tombontsoa ara-moraly sy ara-materialy ihany koa izany.
Mahantra kianja ny eto Madagasikara
“Mahantra kianja ho an’ny fanatanjahantena ny firenena malagasy, tsy ampy ny coach, hanara-maso ireo tanora sy ankizy mpilalao, ary tsy ampy torak’izay koa ny rafitra an­tsangan’ny fitondram-panjakana hampivelarana ny fanatanjahantena eto Madagasi­kara” hoy ny tale nasionalin’ny “Church Sport & Recreations Ministries (Csrm)” eto Ma­da­gasikara, Rasamoelina An­dri­an­jaka. Nilaza izy fa tena antoka iray hampandrosoana ny taranjam-panatanjahantena iray ny fanatsarana ireo lesoka ireo. “Olona vonona ha­molavola hatrany ifotony (ara-batana, ara-tsaina…) ny mpilalao fanatanjahantena iray no atao hoe “coah””, hoy ny mpanazatra, taranja basikety, Randrianarison Alain. Asa fa tsy fialamboly ny fanazarana klioba. Ilana fahafoizan-tena, fitsipika, fanetren-tena ary fitiavana izany.

Hita taratra hatreny ambony kianja ny fiainan’ny ankizy any an-tokantrano, raha tsy manana an’ireo toe-po ireo ny mpanazatra. Tanjona ny ha­na­nan’ny tanora ho avy ma­mi­ratra sy hananan’ny firenena mpilalao mendrika hatrany.

Mpilalao mahay sy matahotra an’Andriamanitra

Efa maro ny klioba mivondrona sy manao ny fanatanjahantena basikety eto Madagasikara. Maro ihany koa ireo hetsika hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpilalao tsirairay. Anisan’ny manampy ny fahaiza-manaon’ny tanora milalao basikety ny “Church Sport & Recreations Ministries (CSRM)” eto Madagasikara. Nisy ny hetsika nokarakarain’izy ireo ny 3 hatramin’ny 17 Aogositra lasa teo, tetsy amin’ny kianjan’ny St Michel Amparibe. “Hetsika fitoriana filazantsara amin’ny alalan’ny fanatanjahantena”, ny lohahevitra nosafidian’izy ireo nandritra izany. “Azo ampitana sy ampielezana ny filazantsara ihany koa ny taranjam-panatanjahantena ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy ny tale nasionalin’ny CSRM eto Madagasikara, Rasamoelina Andrianjaka. Nilaza izy fa ho tafita ny fitoriana ny filazantsara raha miara-manao ny asa fanompoana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ny fiangonana sy ny tsirairay avy. Nohamafisiny fa mora hampitaina ny fanabeazana ara-tsaina sy ara-batana ary ara-panahy rehefa misokatra ny fon’ny tanora. Tanjon’ny fikambanana rahateo ny hanova ny fiainan’ny olona ho mpilalao fanatanjahantena mahay sy mendrika ary matahotra an’Andriamanitra. Nomena fiofanana mikasika ny filalaovana basikety (anaty efitrano sy an-kianja) ireo tanora mivondrona ao anatin’ny klioba. Nohamafisina tamin’ny lalao nifanatre­han’ny klioba samihafa ny alahady lasa teo izany traikefa izany. Ankoatra izay, nomena fiofanana manokana ihany koa ireo mpanazatra, taranja basikety. Mba hahamatihanina ny fanatanjahantena eto amin’ny Nosy, raha ny fanazavana.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: