Tsy zoviana amin’ny rehetra ny anaran’ny Pr Ratsimbazafy Jonah, manampahaizana fantatra amin’ny fiarovana ny varika eto Madagasikara. Tsy mitsahatra manohy ny asa fikarohana ny tenany hatramin’izao ka nanolorana azy ny titra « Docteur Honoris causa », teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny alarobia teo. Mpampianatra mpikaroka amin’ireo Oniversite eto an-toerana izy. Filohan’ny « Groupe d’étude et de recherche sur les primates de Madagascar » (GERP) sy filoha lefitry ny «Primate Specialist Group, Section Madagascar » ny Pr Ratsimbazafy Jonah. Mitana andraikitra maro samihafa ity mpampianatra mpikaroka ity, toy ny maha filoha lefitry ny “IUCN SSC Faune Madagascar” azy. Fantatra amin’ny maha talen’ny “Houston Zoo, Programme Madagascar” koa izy. Mpikambana ao amin’ny “African Academic of Sciences (AAS) no mbola mpikambana ao amin’ny “The World Academic of Sciences (TWAS)” koa. Fantatry ny maro amin’ny maha filohan’ny “International Primatological Society (IPS) ity manam-pahaizana ity. Mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy no sady mpampianatra ao amin’ny fakiolten’ny siansa ny tenany.
Henintsoa H.