Mbola ambany ny famokarana katsaka eto Madagasikara kanefa tsy mitsaha- miakatra ny vidin’izany eny an-tsena. Mandroso vahaolana amin’ny fanafarana katsaka ireo mpiantsehatra amin’ny fiompiana.
Misedra olana ny tontolon’ny fiompiana. Tsy ampy sady lafo ny katsaka eny an-tsena ka miantraika mivantana amin’ny fiharian’ny tantsaha. Vokany, nahena hatramin’ny 50% ny biby fiompiny ny ankabeazan’ny tantsaha, misy ireo nanajanona izany mihitsy. Manoloana izay, nandroso vahaolana ny « Malagasy professionnels de l’élevage (MPE) » sy ny « Interprofession aviaire de Madagascar (IPA) ». Hanafatra katsaka tsy voatoto 45 000t ireto mpandraharaha ireto, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Atao izao hamenoana ny banga amin’ny filan’ny mpisehatra tsirairay ka hahafahan’ny vidim-bokatra ho takatry ny rehetra.
«Mangataka amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izahay ny hanalana ny haban-tseranana 10% amin’ireo katsaka hafarana ireo », hoy ny fanazavan’ ny sekretera jeneralin’ny IPA , Rakotondrandria Mira, omaly, tetsy Nanisana. Notohizany fa hojifaina 1 500Ar ny kilaon’ ireo katsaka rehefa tonga eto an-drenivohitra. Vahaolana maharitra ny fampiakarana ity seha-pamokarana ity eto amintsika. Manodidina ny 0,7t ka hatramin’ny 2,5t/ha ny vokatra katsaka eto Madagasikara. Tokony hahatratra 6t/ha izany raha ny toe-tany eto amintsika, antony hiantsoana ny tomponandraikitra hijery akaiky ity famokarana ity, hoy ny fanazavana voaray.
Simba
Akora fototra fampiasa ho an’ny sakafom-biby ny katsaka noho izy mameno ny 65% ny provandy. Miakatra 30 hatramin’ny 40 Ar isan-kerinandro ny vidin-katsaka. Ny volana jona teo, 1 800Ar ny kilao raha 1 000Ar izany ny volana jona 2021. Mihena ny famokarana noho ny fiovaovan’ny toetr’ andro. Misy ireo faritra mpamboly katsaka no nanova ny toeram-pamboleny ho lasa lojy, fary na vary. Fantatra fa manodidina ny 400 000t ny filàna ny katsaka. « Tsy ampy hatramin’ny 150 000t ny vokatra eto amintsika », hoy hatrany ny tomponandraikitry ny IPA.
Henintsoa Hani