Mitombo hatrany ny isan’ny lalana vita godirao eto amintsika. Anisan’izany ny lalam-pirenena, RN 9, manamora ny fifandraisana sady mitondra fampandrosoana.
Notokanan’ny filoha Rajoelina, omaly, tany Ankantsakatsa, ny lalam-pirenena fahasivy RN9. Miainga eo Toliara hatrany Bevoay, hatrany Manja, mirefy 187 km, vita godirao tanteraka. Nanomboka tamin’ny 2020 ny asa, nizara roa ny nanatanterahan’ny orinasa, China road and bridge corporation (CRBC), azy. Voalohany, ampahany mirefy 85 km, mitentina 130 986 870 604 Ar, natao tao anatin’ny 32 volana. Faharoa, mirefy 77,785 km, mitentina 149 650 840 149 Ar.
Namatsy vola ny fanatanterahana ity asa ity ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nanomboka ny 31 jolay 2019 ny antso tolobidy iraisam-pirenena. Nanomboka ny 21 novambra ny asa ho an’ny ampahany voalohany ary ny 19 aogositra ny faharoa.
Azo atao tsara ny mampifandray
Nilaza ny filoha Rajoelina fa tsy mijanona ny fampandrosoana ny firenena. Asa goavana ity fahavitan’ny RN-9 ity. Ho azy, azo atao tsara ny mampifandray an’i Madagasikara satria lalandran’ny fampandrosoana ny lalana. Ankehitriny, vita ao anatin’ny ora 5 ity RN 9 ity raha dimy andro fony izy lalantany.
Notsipihiny koa fa efa mandeha ny asa fanarenana ny RN-13, miainga any Taolagnaro hatrany Ambovombe. Eo am-pikarakarana koa ny RN-10, mampitohy an’Andranovory hatrany Ampanihy sy Ambovombe. Hotokanana tsy ho ela ny RN-44, mampitohy an’i Moramanga hatrany Ambatondrazaka. Nomarihiny fa izay no maha mpanangana lehibe azy.
Ho an’ny minisitry ny asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehana Ndriamihaja, mitohy ny fananganana fotodrafitrasa iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, araka ny Velirano faha-11.
Njaka Andriantefiarinesy