Mahavelombolo ny any ifotony ny fisiana ozinina hanodinana ireo vokatra any aminy. Milina efatra no napetraka ao Toliara hisahana izany.
Tonga any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny tetikasa “One district One Factory” (ODOF). Napetraka ao Toliara ny milina efatra mpanodim-bokatra hanampiana ireo vahoaka any an-toerana. Hanodina ireo vokatra mampalaza ny faritra toy ny voanjo, ny soja, ny vomanga, ny mangahazo, ny tsaramaso, ny kabaro sy ny maro hafa ireo milina. Mamokatra voanjo sy soja manodidina ny 500 000t ny faritra Atsimo Andrefana. Antony nametrahana ilay milina hanodina izany ho lasa menaka. Ankoatra izay, mahavokatra vomanga sy mangahazo 200 000t ankoatra ny voamaina toy ny black-eyes izay tena tadiavin’ny tsena iraisam-pirenena. Araka izany, hamokatra menaka azo avy amin’ny voanjo sy soja 1 200 litatra isan’ora ilay milina napetraka ao Ampanihy. Hamokatra chips vita avy amin’ny mangahazo sy vomanga milanja 100kg isan’ora kosa ny milina ao Toliara I. Fantatra fa hahavita paty azo avy amin’ny vary manodidina ny 400kg isan’ora ilay ozinina ao Toliara II raha hamokatra lafarinina vita amin’ny voamaina 300 ka hatramin’ny 1 000kg isan’ora ilay milina napetraka ao Morombe.
Hanome asa
Hanakaiky ny vahoaka eny ifotony sady hiteraka asa ho an’ny tanora ireto ozinina napetraka ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ireto. Araka izany, hanaovana antso avo ny hitantana izany. Nomarihin’ireotomponandraikitra fa olona avy any an-toerana no antsoina hitantana ny tetikasa.
Henintsoa H.